Voasambotry ny zandary tao Antsahananamirongo, vakim-paritra Ankaramy anivo, fokontany Antsahampano, kaominina ambanivohitra Nosibe, distrikan’i Vohémar, ny sabotsy teo, ireo mpivady mpanao trafikana taolam-paty. Nahazo fampitam-baovao mialoha ny zandary momba ny fisiana taolam-paty hita ao anaty lavaka. Tsy fantatra izay tompon’antoka tamin’io halatra taolam-paty io. Tonga haingana teny an-toerana ny zandary […]
Mois : décembre 2024
Soamanandrariny: Mpangalatra moto voasambotra
Fisolokiana hafa koa! Lasan’ny olon-dratsy ny moto marika Kymco G5 teny Mandrosoa Ivato, ny 20 desambra teo. Nitondra moto scooter jog 90, mody nanakan-dalana io olon-dratsy io. Nandalo ny mpitondra ilay kymco ka nosakanany. Nampiresahin’io mpisoloky io, nilaza ho misedra olana izy. Napetrany tamin’ ny sisin-dalana, araka izany, ny moto […]
SOMBIM-BAOVAO
Nanainga ny sabotsy teo, teny Ivato, hihazo ny nosy rahavavy Seychelles, i Elisco, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, hifindra ao amin’ny klioban’ny Light Star ny tenany. Tsiahivina fa efa nandalo klioba maro teto an-toerana ny lehilahy, anisan’izany ny Elgeco Plus, ny Jet Kintana sy ny Five FC […]
Tanàna soa Academy : Hamolavola ankizy ho mpanao baolina matihanina
Anisan’ny ivontoerana hamolavolana ankizy ho lasa mpilalao baolina kitra matihanina, ny Tanàna Soa Academy. Nanomboka ny zoma lasa teo ary nifarana omaly alatsinainy, kilongalahy kely 10 sy 11 taona, miisa 32 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no voatsonga hanaovana ny fitiliana farany ka ho beazina ao. Nambaran-dRakotomalala Mamie, filohan’ny Tanàna Soa […]
“Challenge du Sud Est” : Nisongadina Amoron’i Mania sy i Matsiatra Ambony
Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Manakara, ny fifaninanana “Challenge du Sud Est”, taranja karaté. Nahomby ny hetsika, nahafahana nampivondrona ireo karateka tany amin’ny ligy Atsimo, nanomboka teo Amoron’i Mania hatrany Fitovinany. « Ligy 3 no niara-nisalahy nikarakara ny fifaninanana ka tena nahavelombolo tokoa », araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, […]




