Mois : décembre 2024

Base Toliara : Hajaina ny kolontsaina

Misy mponina manana fasana ao amin’ny fari-pitrandrahan’ny Base Toliara any Ranobe. Araka ny voasoratra ao anatin’ny bokin’andraikitra, misy ny fifanarahana natao tamin’ny mponina hamindrana ireo fasana, sady hatao manara-penitra. Nilaza ny mpahay ny maha olombelona (anthropologue), Tsimitamby, fa miisa 38 ny fasana efa nafindra, talohan’ ny desambra 2019, nampihatoana ny […]

Base Toliara: Hajaina ny lalàna sy ny fomban-tany

Fanapahan-kevitry ny fanjakana foibe ny nanokafana indray ny Base Toliara. Manaja ny fomban-tany koa anefa ny orinasa satria zava-dehibe ny soatoavina eny ifotony. Taorian’ny tany Ankilimalinike sy Toliara I, ny kaominina Tsianisiha indray no nampahafantarana ny vahoaka ny fiverenan’ny fisokafan’ny orinasa Base Toliara, ny 21 de­sambra 2024 teo. Nilaza ny […]

Haparitaka eto an-dRenivohitra : Roa lahy nahatrarana rongony

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora, ny sabotsy teo, ireo roa lahy voarohirohy ho tompon’antoka tamina trafikana rongony. Sa­ron’ny polisy teo Ambohi­jatovo, ny 18 desambra 2024 tamin’ny 9 ora alina, izy roa lahy ireto, niaraka tamin’ny rongony tanaty gony miisa 24. Nentina tamina fiara 4×4 ireto zava-mahadomelina ireto. Nandritra ny fisafoana […]

Mirehitra ny afo ao Toliara : Tsy manaiky voka-pifidianana ny mponina

Tsy manaiky ny vokatra vonjimaika navoakan’ny Structure provinciale Ad’hoc pour le traitement des résultats des élections communales (Spatrec) ny mponina ao Mitsinjo Betanimena. Voalaza fa samy hafa ny vokatra navoakan’ny SRMV Toliara II, ny 16 desambra 2024 teo, sy ny vokatr’ity rafitra voalaza etsy ambony ity. Araka izany, nirohotra nitokona […]

Fanomanana ny fetin’ny Noely: Maro mpividy ny vatomamy eny an-tsena, ho mariky ny hafaliana

Rehefa ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Noely tahaka izao, mahasarika ny ankamaroan’ny olona ny mividy vatomamy sy sokolà. Fomba efa fanao ho mariky ny fifampizarana ha­ma­miana sy hafaliana eo amin’ny isan-tokantrano sy ny isam-piangonana izany amin’ny ankapobeny. Andro iray sisa no isaina dia ho tonga ny fankalazana ny fetin’ny Noely. […]