Mois : décembre 2024

Yas Madagascar sy ny UNFPA : Manohana ny CSB II hamonjena aina

Miara-miombon’antoka ho an’ny fanatsarana ny fiainam-piarahamonina sy ny fampandrosoana lovainjafy ny Yas Madagascar sy ny UNFPA amin’ny alalan’ny fampitaovana ireo tobim-pahasalamana fototra, CSB II, eto Madagasikara. Tanjona ny hiantohana ny fiterahana sy fitsaboana ara-kalitao. Fanamby lehibe ho an’ny ankamaroan’ireo CSB II ny fisitrahana ny herinaratra. Voatery mampiasa izay eo am-pelatanany […]

Faha-10 taonan’ny SACUA: Miantso ny orinasa hamaly ny fangataham-piaraha-miasa

Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ny fankalazana ny faha-10 taona nijoroany ny fikambanana Syndicat autonome de la Commune urbaine d’Antananarivo (SACUA) amin’izao fotoana izao. Hatao ny 24 janoary 2025 ho avy izao ny fety hanamarihana izany. « Miantso ireo orinasa nanaovana taratasy fangataham-piaraha-miasa (demande de partenariat) izahay mba ha­ma­ly izany», hoy ny […]

Mifarana ny tetikasa Impact: nisongadina ny fanatsarana ny sehatry ny fahasalamana

Nifarana ofisialy, omaly, ny tetikasa Impact, niantsehatra betsaka tamin’ny fanatsarana ny tonton’ny fahasalamana teto Madagasikara. Tetika­sa notanterahin’ny PSI ary novatsian’ny USAID vola. Naharitra 6 taona ny faharetany tamin’ny faritra 14, ary niantsehatra betsaka tamin’ireny krizy ara-pahasalamana no­lalovan’ny firenena ireny ny tetikasa. Nisy ny fizarana fanafody fitsaboana ny tazomoka. Teo koa […]

Ady amin’ny heloka bevava : Nandalo teto Madagasikara ireo mpiasan’ny FBI

Mpiasa avy amin’ny FBI roa tonga nihaona tamin’ireo polisy sy zandary teto Madagasikara. Mampiofana mahakasika ny heloka bevava iraisam-pirenena sy ny ady amin’ny famotsiam-bola izy ireo. Tamin’ity herinandro ity, nihaona tamin’ireo mpiasa avy amin’ny FBI, Jeff Rees sy Leah Tanner, izay tonga eto Madagasikara, ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ary […]

Holafitry ny fahasalamana: Manahy ny fikoron­tanan’ny rafitra

Namoaka fanambarana ireo Holafitry ny fahasalamana. Nahagaga azy ireo ny nanovan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny fomba fifidianana amin’ny alalan’ny lisitra ny filankevitra. Ny olona tsirairay no mirotsaka hofidina hatramin’izay mba hisian’ny hevitra samihafa, araka ny nambaran’izy ireo. “Filankevitra no mitondra fa tsy ny fitaleavana koa mangataka izahay ny hiaraha-midinika ny momba […]