Andrainjato – Fianarantsoa: efitra 12 ravan’ny afo, mpianatra 260 tra-boina

Naharitra adiny roa ora mahery ny famonoana ny afo nataon’ny mpamonjy voina tao amin’ny trano fonenan’ny mpianatra Cité Prefat N ao Andrainjato Fianarantsoa, afakomaly.
Niantomboka tamin’ny efitrano iray ny firehetana, tamin’ny 9 ora alina. Niitatra tao anatin’ny minitra vitsy monja tamin’ireo efitra nifanila taminy izany. Nikoropaka samy namoaka izay entana azony ireo mpianatra. Na­nomboka niredareda ny afo ka nifanampy tamin’ny fifehezana ny afo ireo mponina ao an-toerana. Nigadona teny an-toerana rahateo ny sampana mpamonjy voina. Nanano­sarotra ny famonoana ny afo noho ny firehetan’ny vatan-trano maromaro. Voafehy ny afo tamin’ny 11 ora sy 10mn alina. Araka ny tatitry ny tomponandraikitra, efitra 12 rava tanteraka vokatry ny voina. Kila tanteraka ny 6 tamin’ireo rahatoa ka voatery noravaina hisorohana ny fiitaran’ny afo ny 6 hafa. Mahatratra 260 ireo mpianatra tra-boina. Kilan’ny afo avokoa ny fitaovam-pianarana sy lamba fitafin’ny ankamaroan’izy ireo na dia nisy aza afaka nanavotra ny azy. Ireto farany izay tsy afa-nanao na inona na inona intsony taorian’ny fiitaran’ny afo.

Mampiahiahy
Miroso amin’ny fanadihadiana momba ity tranga ity ny manampahefana ao an-toerana. “Vokatry ny ady niseho tao amin’ny olon-droa no niteraka ny firehetana. Ankilany, misy milaza ho fifampikasohan’ny herinaratra”, hoy ny fanazavan’ ny kaomandin’ny tobim-paritry ny zandarimaria ao Fianarantsoa. Efa misy ny anaran’olona voarain’izy ireo amin’izao fotoana. Ho fantarina ny mombamomba azy ireo ary hatao ny fanamarinana ny tena zava-nisy marina, araka ny fanazavana. Tsy voafaritra mazava ny fototry ny firehetana hatramin’ny fotoana nanoratana. Nidina ifotony naka am-bavany ireo mpianatra lasibatra ny mpitandro filaminana. Nitondra ny teny fankaherezana ho an’ireo lasibatra koa ny filohan’ny Oniversite ao an-toerana. Andrasana ny fanadihadian’ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: