Mirongatra ny fandripahana sy ny fangalarana harena voajanahary tato ho ato. Tsy mandefitra mihitsy anefa ny fanjakana, ary sazy henjana sy mafy ho an’izay voamarina fa meloka.
Sokajiana ho heloka bevava ny fidirana anaty faritra arovana! Tafiditra ao ny fikitihana na fangalarana na fitazonana na fivarotana biby na zavamaniry avy any anaty faritra arovana. Mbola misy ihany anefa ireo minia mandika izany, nahitana tranga maromaro, indrindra ny faramparan’ny taona 2024 teo. Toy, ny fandripahana hazoala, ny fanaovana tavy sy saribao, sns. Iaraha-mahita ny firongatry ny doro ala tamin’iny taona iny, indrindra ny any amin’ny tapany atsinanan’i Madagasikara, atsimo atsinanana, avaratra andrefana, andrefana, sns. Mahatonga ny fiovan’ny toetr’andro ny doro ala sy tanety, mahatonga izao fihantonan’ny orana izao. Ritra ny loharano ka tsy afaka mamboly ny tantsaha.
Tsy mandefitra manoloana ny fandikana lalàna ny fanjakana. Namoaka antontanisa ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), ny 23 desambra 2024 teo, fa niisa 74 ny olona voasambotra nandoro ala na tanety ny taona 2024, ka naiditra vonjimaika am-ponja ny 48, izay nisy nogadraina telo taona an-tranomaizina rehefa niatrika ny fitsarana, rehefa voamarina fa tratra ambodiomby.
Tsy handeferana na iza na iza
Taorian’io, ny 27 desambra, nisy 13 lahy tratra nanimba ala arovana, tany amin’ny kaominina Antsakanalabe, distrika Befandriana Avaratra, faritra Sofia. Migadra dimy taona, sazy mihatra, tsirairay avy hatrany izy ireo. Mampitandrina ny rehetra ny governoran’i Sofia, ny jeneraly Lylison Réné de Rolland, fa «tsy handeferana, tsy asiana indrafo mihitsy na iza na iza, na olom-boatendry, na olom-boafidy, na olon-tsotra, na olom-panjakana, tratra mandripaka ala satria manapotika ny hoavin’ny taranaka. Hisy ny savahao atao any anaty ala, ka aoka hiomana izay tompon’antoka fa hampiharina aminy ny sazy sahaza azy».
Njaka Andriantefiarinesy