Fiompiana trondro : Mbola hafarana any ivelany ny akora sasany

Hafarana any ivelany ny akora sasany ilaina amin’ny sakafo trondro. Misy ny orinasa misehatra amin’izany eto an-toerana, hampihena ny masonkarenan’ny mpiompy.

Tsy ampy ny akora fototra ilaina amin’ny fanamboarana sakafo trondro vokarina eto an-toerana. Lafo anefa ny fanafarana ireo sakafo trondro, nahatonga ny vondrona Arbiochem hisehatra amin’ny fanamboarana sakafo trondro, hanampiana ny mpiompy sy ireo mpandraharaha eto an-toerana. Akora fototra toy ny katsaka, soja, vovo-tsaonjo sy akora natoraly samihafa no ampiasain’ny orinasa entina homakarany ireo sakafon-trondro ho an’ny zana-trondro karpa sy tilapia mirefy 3 ka hatramin’ny 4 mm.
« 10 000 t isan-taona ny vokatra ataon’ny orinasa izay amin’ny vidiny mirary sy manaraka ny fenitra iraisam-pirenena », hoy ny tale jeneralin’ny orinasa Arbiochem, Andriamanalina Rivo, omaly, nandritra ny fanokanana ny orinasa eny Ambohiman­ga­kely. Tanjona hoy izy ny hampihena hatramin’ny 10% ny akora hafarana izay tena mbola lafo. Miara-miasa ami­na tantsaha maro ny orinasa hamatsiana ireo akora enti-mamokatra. Noho izany nandalo andrana ara-teknika samihafa ny vokatra ka rehefa nahomby vao naparitaka teny anivon’ny mpiompy ny vokatra. Ankehitriny, aman-jatony ny mpanjifa ny vokatra, vina ny hamokarana sakafo natokana ho an’ireo trondro kely, hoy hatrany ny tale jeneralin’ ny orinasa.
Tokony hitarina any amin’ ny faritra « Mahatratra hatrany amin’ny 257 000 t ny filan’i Mada­gasikara amin’ny famokarana sakafon-trondro. Ha­nampy amin’ny famokarana ny orinasa malagasy toy izao », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert. Notohizany fa maniry ny hitaran’ny orinasa manerana ny Nosy ny minisitera mba hisitrahan’ny mpiompy sy ny mpandraharaha ny vokatra fa indrindra hampiakatra ny harinkerena faobe.

Henintsoa Hani

Partager sur: