Nanomboka ny talata 18 febroary teo ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena, RN54. Lalana mirefy 8 km miainga ao an-tampon-tanànan’i Mahajanga hatrany amin’ny seranam- piaramanidina Amborovy. Asa natao voalohany ny fandrangotana ny arabe, mitohy any amin’ny fandravonana sy ny asa samihafa, miafara amin’ny fandrakofana godirao. Ho vita mialoha ny tapaky ny […]
Mois : février 2025
Tatitra EITI : Avy amin’ny harena an-kibon’ny tany ny 43% ny fanondranana
Manana ny lanjany ara-toekarena ny sehatry ny harena ambanin’ny tany eto amintsika. Mibahan-toerana ny fanondranana fasimainty, maherin’ny 538 000 t ny naondrana tany ivelany, ny taona 2022. Namoaka ny tatitra, ny 20 febroary teo, ny Rafitra iraisam-pirenena momba ny fangaraharana amin’ny fitrandrahana vaventy ny harena ambanin’ny tany (EITI) ho an’ny taom-piasana […]
« Rallye 2025 » : Ilaina ny «licence compétiteur»
Mialoha ny hanombohan’ny taom-pilalaovana 2025 amin’ny hazakazaka fiarakodia «Rallye», tsy maintsy manana kara-pilalaovana ara-dalàna na «licence compétiteur» avokoa ireo mpanamory handray anjara amin’ny fifaninanam-pirenena. Fanomezan-dalana avy amin’ny Féderation sport-automobile de Madagascar (FSAM), izany. Misy karazany io kara-pilalaovana io, ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara. Eo ny kara-pilalaovana nasionaly, natokana […]
SOMBIM-BAOVAO
Hotontosaina rahampitso, eny Mahitsy, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja fiara, kodiaran-droa, Motocross Enduro. Araka ny vaovao navoakan’ny Federasiona malagasin’ny Moto (FMaM), natao « Endurance Cram » ny anaran’ny fifaninanana. Tsiahivina fa ity ny fanokafana ny taom-pilalaovana 2025 ho an’ny sokajy Enduro. Hatao anio, eny amin’ny Akademia nasionalin’ ny fanatanjahantena ANS […]
« Afrobasket 2025 » : Resin’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny Ankoay
Nanomboka omaly, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny dingana faran’ny fifanintsanana “Afrobasket 2025”. Resin’ny Elefantan’i Côte d’Ivoire, 106 no ho 73, ny ekipan’ny Ankoay Madagasikara. Tsy mbola tao amin’ny Ankoay ny vintana, nandritra ny andro voalohany, dingana faran’ny fifanintsanan’ny “Afrobasket 2025”. I Kiady, i Sitraka, i Faralahy, i Johan ary […]




