Manan-danja eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fampandrosoana ny vokatra andrasana amin’ny fanadihadiana maharitra eny anivon’ny tokantrano (EPM) hatao. Ahafahana mamaritra ireo politikam-panjakana sy ireo fotodrafitrasa hatsangana enti-mamaly ny filan’ny mponina ireo antotanisa hangonina. Niainga tamina kajy statistika ny nahazoana ireo tokantrano 17 000 manerana ny Nosy hanaovana ny fanadihadiana. […]
Mois : février 2025
VAOVAO TAMBATRA
Mitotongana, lasa 4 920,55 Ar ny euro iray, omaly. Tsy mitsaha-miakatra izany tao anatin’ny tapa-bolana. Marin-toerana kosa ny dolara izay nisanda 4 701,80 Ar. Tsy mifandanja ny fanondranana sy ny fanafarana entana ataon’i Madagasikara. Betsaka ny entana fototra hafarantsika sy ny solika izay hamoahana vola vahiny. Mamolavola ireo paikady hamerenana ny famokarana […]
Angovo : Voizina ny Famatsiam- bola maitso
Miara-miombon’antoka ny Sipem Banque sy ny orinasa Pharmadiff Solair. Azo atao ny mandoa tsikelikely ny entana ao amin’ny Pharmadiff Solair amin’ny alalan’ny findramam-bola ao amin’ny Sipem Banque. Voakasik’izany ny fitaovam-pitsaboana samihafa amidin’ny Pharmadiff, miainga any amin’ny madinika indrindra hatramin’ny vaventy (« concentrateur d’oxygène, tensiomètre, réspirateur, … »). Toraka izany koa ny karazana […]
Fanampiana ny sahirana : Tokantrano 171 haorina eny Andavamamba
Arovana amin’ny tondradrano sady hatsaraina ny fari-piainan’ny mponina eny amin’ny faritra iva. Diovina sy hamafisina ny lakandrano, haorina ny trano fonenana sy fotodrafitrasa maro. Mitohy ny fanatanterahana ny Tetikasa fampiroboroboana ny tanàn-dehibe sy ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro eto Antananarivo (Produir). Mamatsy vola azy ny Banky iraisam-pirenena, tanterahin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]
Transit-Douanes: Nivoaka ny andiany “Masova”
Notontosaina, omaly, teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny famoahana ny andiany “Masova”, ho an’ny lalam-piofanana Transit-Douanes, eo anivon’ny INSPNMad. Mpianatra 94 mianadahy no navoaka nandritra izany, nahazo ny mari-pahaizana DTS sy Licence. 56 amin’izy ireo nahavita ny fianarana mahakasika ny Transit ary ny 38 kosa nanaraka ny fiofanana Commerce international. […]




