Nahafa-po ny zava-bitan’i Madagasikara ao anatin’ny fandaharanasa Findramam-bola nohamoraina (Fec) sy ny Famatsiam-bola nohamoraina hiatrehina maharitra ny fiovaovan’ny toetr’andro (FRD), antony nahatonga ny fankatovana ny famatsiam-bola mitentina 103 tapitrisa dolara (77,4 tapitrisa DTS) avy amin’ny Tahirimbola iraisam-pirenena (FMI). Nitarika izany ny fanitsiana ny vidin-tsolika, nanomboka ny volana janoary 2025. Nahena ihany koa ireo hetra mitentina 280 tapitrisa Ar voalaza ao anatin’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) 2025. Notohizana ny fampandehanan-draharahan’ireo banky miisa sivy. Nahomby ny fametrahana ny « registre social unique élargi » tamin’ireo tokantrano miisa 600 000, ny taona 2024. Tsara ny vokatra azo teo amin’ny ady amin’ny kolikoly tamin’ny alalan’ny fametrahana ny paikady vaovao. Mizara roa ireo tohana ara-bola azo. Mitentina 40,732 tapitrisa DTS ny voalohany izay mifanandrify amin’ny andiany voalohany ny FRD. Misanda 36,66 tapitrisa DTS kosa ny ampahany faharoa ho an’ny Fec. Marihina fa hanohana ny tetibolam-panjakana hanatsarana ny toekarem-pirenena ireo famatsiam-bola azontsika ireo.
Henintsoa H.




