Ho fiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka, notanterahina nandritra ny tsena Sabotsy, tao Ankadinondry, ny hetsika fanafoanana ny varotra fanafody ankalamanjana. Niara-nientana, tamin’izany, ny mpiasan’ny fahasalamana, ny kaominina ary ny Zandarimariam-pirenena. Taorian’ny fampitandremana nomena ireo mpivarotra voakasika izany, herinandro mialoha, nidina ifotony ireo tomponandraikitra nijery sy nandray fepetra tamin’ireo izay mbola minia nanohy ny fivarotana tsy ara-dalàna. Voafehin’ny lalàna ny fivarotana sy ny fitahirizana fanafody. Mety hampidi-doza ho an’ny fahasalaman’ny olona ny fanafody amidy amin’ny toerana tsy natokana ho amin’izany. Tsy manaraka ny fenitra fitahirizana izy ireny ka mety ho simba na hihena ny fahombiazan’ny fanafody. Manentana ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana sy ireo mpiara-miombon’antoka rehetra ny DRSP Bongolava hanamafy ny ady amin’ny varotra fanafody ankalamanjana, indrindra mandritra ny andro tsena.
Efa miorina ny fiaraha-miasa amin’ny Zandarimaria manerana ireo kaominina. Vonona hatrany izy ireo hanohana ny hetsika rehetra hiarovana ny fahasalaman’ny vahoaka.
Vonjy




