Tetikasa Mitao Forecast Africa : Mampihena 98% ny fahafatesan’ny mpanjono

Hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny hampihena ny taham-pahafatesan’ny mpanjono eny ifotony ny tetikasa Mitao Forecast Africa.

Fantatra efatra andro mialoha ny toetry ny andro amin’ny alalan’ny fampiasana ny Mitao Forecast Africa. Misy ny fampahafantarana amin’ny alalan’ny takelaka miloko ny toetry ny andro (tableau agro-méteorologi­que) ho an’ireo mpanjono eny ifotony. Tanjona ny hiarovana azy ireo amin’ny loza an-dranomasina mitranga ateraky
ny fiovaovan’ny toetr’andro.
« Samy nametrahana ny tableau agro-météorologique ireo tanàna 3 000 misy ny mpi­andrika eto Madagasi­kara ka nampihena hatramin’
ny 98% ny taham-pahafate­san’ireo mpanjono miisa 150 000 », hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, omaly, teny amin’ny Novotel, nandritra ny fampahafantarana ny te­tikasa. Miisa efatra ireo takelaka famantarana dia ny maitso midika fa milamina sy tsy misy atahorana ny ranomasina. Ny mavo manambara fa milamina ny ranomasina, ny volomboasary midika fa mihetsika ny ranomasina raha toa ka manambara fa tena mihetsika kosa ny ranomasina ny loko mena.

Fampandrosoana
Vokatry ny teknolojia sy saina voatry ny sain’oloambelona (intelligence artificielle) ny tetikasa Mitao Forecast. Azo tsapain-tanana ny fahombiazan’ny tetikasa eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny fi­ainan’ny mponina. « Tanjona ny hanaparitaka manerana ny Africa sy izao tontolo izao ny fahaiza-manaontsika amin’ny fiarovana ireo mpanjono », hoy ny mpamorona ny tetikasa, Toky Sylvestre.
Ankoatra izay, « Mamonjy ny morontsiraka sy ny ranomasina avokoa ny 40% amin’ireo mpizahatany tonga eto amintsika. Noho izany, ha­nampy amin’ny fiarovana azy ireo ny tetikasa », hoy ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Viviane Dewa. Mari­hina fa afaka misitraka ny antontam-baovao momba ny toetr’andro ireo mpanjono eny ifotony amin’ny alalan’ny someso.

Henintsoa Hani

Partager sur: