Nahatratra telo ireo namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Honde tany Ampanihy Andrefana, raha ny tatitra avy amin’ny BNGRC, afakomaly. Olona iray tsy hita popoka tany Belo sur Tsiribihina. 42 ireo olona naratra, 38 949 traboina, ahitana izany betsaka indrindra ny any Toliara II, izay manodidina ny 11 308.
Olona iray maty, 12 naratra vokatry ny lozam-pifamoivoizana tany Ambotovory, fokontany Agnarandakana, kaominina Vohiposa, distrikan’Ambohimahasoa, afakomaly. Fiara mpitatitra olona, avy any Toliara hihazo an’Antananarivo izy io no tra-doza teo Ambatovory, 8km avaratra Ambohimahasoa. Efa nisitraka fitsaboana sahaza azy avokoa ireo naratra.
Roa lahy mpanendaka tratran’ny polisy miasa ao Ampefiloha, afakomaly atoandro tamin’ny 1 ora, tetsy akaikin’ny fiantsonan’ny taxi-be Cnaps. Lehilahy 35 taona, mipetraka eny Itaosy ny iray. Lehilahy 27 taona, mipetraka etsy Andavamamba ny iray hafa. Efa hanaovana famotorana eny anivon’ny biraon’ny polisy moa izy ireo, amin’izao fotoana izao.
Nirehitra ny trano R+3 etsy amin’ny cité miaramila eny Nanisana, afakomaly. Niainga tao amin’ny R+1, izay nahitana efitra miisa efatra, ny afo ka nahatonga ny firehetana. Naharay antso ny Vondron’ny mpamonjy voina ka tonga namono ny afo teny an-toerana. Court-circuit ny antony nahatonga ny firehetana, raha ny fanazavana voaray. Voafehy tanteraka kosa ny afo tamin’ny 7ora latsaka fahefany.




