Fiaraha-miasan’ny MFFT sy ny zandary: Rava ny tambajotra mpangalatra tany

Anisan’ny laharam-pamehana ho an’ny fitondram-panjakana sy ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny ady amin’ny mpangalatra tany. Nahitam-bokany izany, ny herinandro teo.

Nanatona ny eo anivon’ny MFFT ny sampam-pikarohana ny ady heloka bevava eo anivon’ny Zandary “Section des recherches criminelles”. Fantatra tamin’izany ny nahavoarohirohy ireo efa matihanina amin’ny fisandohana sy fangalaran-tany. Valo mianadahy ireo voasaringotra ary tazomina eny amin’ny zandary sampam-pikarohana etsy Fiada­na­na. Anisan’ny toerana na­naovan’izy ireo ny asa ratsiny ny tetsy By-Pass sy Anka­difotsy. “Efa nandraisana vola an-jatony tapitrisa Ariary maro izany”, hoy ny fampitam-baovaon’ny MFFT. Voasaringotra amin’izany ny mpiasan’ny fokontany sy amin’ny kaominina. Eo koa ny mpanera ary ireo orinasa mpikirakira fampindramam-bola iray.
Nambaran’ny fampitam-baovaon’ny minisitera fa manaraka akaiky ity toe-draharaha ity ny eo anivon’ny MFFT ary manampy ny mpanao famotorona amin’ireo antontan-taratasy ilaina amin’izany. “Tsy hisy ho afa-bela ireo tafiditra amin’ny fangalaran-tany ivondronan’ireo mpanao ratsy ary hampiharina amin’ireto farany avy hatrany ny lalàna famaizana”, hoy ny eo anivon’ny MFFT.

Tsy hisy indrafo

Etsy andaniny, manohy sy manamafy ny ady amin’ny kolikoly ny minisitera ary tsy misy hanavahana ny hanasaziana ireo rehetra tratra sy ahazoana porofo. Manentana ireo iharan’ ny tsy rariny hitoroka eny amin’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ka hitondra ny porofo amin’izany ny MFFT. Tsy andoavam-bola rahateo ny tolo-draharaha ataon’ny sampandraharaha misahana ny fanajariana ny tany (Strat). “Ho hentitra ny sazy ho an’ireo minia manao ny tsy mety”, hoy ny minisitera.
Tsiahivina fa efa teny famerimberin’ny minisitra, An­driantsitohaina Naina, rahateo ny tsy hananana indrafo amin’ireo rehetra mangalatra tany. Tafiditra ao anatin’izany izao nahatrarana ireto “Mafia” na tambajotra amin’ny fangalarana tany ireto izao.

Synèse R. sy Tsiferana R.

Partager sur: