Andavamamba : Telo lahy nahatrarana basy kilalao

Manoloana ny tsy fandriampahalemana eny amin’ny fokontany Andavamamba sy ny manodidina, nanao be midina ny polisim-pirenena sy ny andrimasom-pokonolona ny alin’ny alatsinainy hifoha ny talata 18 marsa teo. Telo lahy nifanehatra tamin’izy ireo tao anatin’ny faritr’io fokontany io tamin’ny 10 ora sy sasany alina. Natao fisavana, nahatrarana basy plastika kilalao teny amin’izy ireo. Tsy fantatra mazava ny anton-dian’ireo telo lahy ireo. Ahina ho nikasa hanao asa fanendahana teny an-toerana izy ireo. Ankoatra io, lehilahy iray hitan’ny polisy tsy lavitry ny fiantsonan’ny taxi-be “arret bus 30”, tamin’ny 11 ora alina. Natao fisavana, tsy nanana na dia karapanondrom-pirenena aza io lehilahy io. Nentina natao famotorana izy efa-dahy voasambotra ireo. Marihina, mitebiteby fatratra ireo tara fodiana sy mpandalo alina eny amin’ny lalana mihazo an’Andavamamba sy Antetezana afovoany ary 67 Ha iny tato ho ato.

Tsiferana R.

Partager sur: