Tambajotra matanjaka: Miaramila mpivarotra moto halatra, sarona

Miaramila ny iray tamin’ireo efa-dahy mpikambana anatin’ny tambajotra mpangalatra moto. Tra-tehaka teny amin’ny kaominina Talatamaty, afakomaly hariva, ry zalahy.

Efa-dahy mpangalatra moto sy mpividy moto halatra niara-nosamborin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Talata­maty, ny alatsinainy 17 marsa hariva teo. Nitrangana halatra moto niharo fampiasana fitaovam-piadiana mahery vaika tao anatin’io kaominina io, herinandro vitsy lasa. Mpanao taxi-moto iray nofandrihan’ny jiolahy fantatra amin’ny solon’anarana hoe Big MJ, ny 6 marsa teo. Nasain’ity lehilahy ity nihazo an’i Talatamaty io mpitatitr’olona amin’ny moto io. Kinanjo, nambanany tamin’ ny basy mahery vaika. Tsy afa-namaly noho ny tahotry ny ainy, nanome ny moto marika Yamaha Cygnus ilay lasibatra. Ankoatra io, lehilahy iray hafa koa niharan’ny fandrobana tahaky ny nahazo io mpitondra taxi-moto io tao amin’ny fokontany Morondava Antehi­roka, ny 11 marsa teo. Samy nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana ireo lasibatra. Nanao ny fanadihadiana ary niroso tamin’ny fikarohana ireo olon-dratsy ny zandarimaria.

Voasaringotra
Tra-tehaky ny zandary io Big MJ sandoka io niaraka tamin’ny lehilahy iray namany. Noraisim-potsiny teny aminy ny fitaovam-piadiana fampiasany nandritra ny asa ratsy sy ny moto roa halatra. Natao ny famotorana azy roa lahy ireo ka niaiky heloka ary nitoroka ny namany roa lahy izy ireo. Voatonontonona tamin’izany, ny mpitandro filaminana iray eo anivon’ny tafika. Voalaza fa mpanafina ny moto avy nangalarina no andraikiny. “Miva­rotra ireo entana halatra izy satria rahalahin’ilay mpandroba mitana ny fitaovam-piadiana”, hoy ny fanazavan’ny kaomandin’ny zandary eo anivon’ny Vondron-tobim-paritra Talatamaty. Voasambotra niaraka taminy koa ny lehilahy iray mpividy ireo moto halatra ireo. Vokany, niaraka notanana ary hatolotra ny fampanoavana tsy ho ela izy efa-dahy.

Tsiferana R.

Partager sur: