Sambokely rendrika: Mpandeha efatra namoy ny ainy

Olona efatra namoy ny ainy vokatry ny faharendrehan’ny sambokely mandeha motera iray tany Belo sur Tsiribihana, afakomaly alina. Zaza ny roa ary renim-pianakaviana ny roa tamin’izy ireo. Nitranga tao amin’ny kaominina ambanivohitra Marofan­dilia, ao anatin’ny distrikan’i Morondava ny tranga. Niton­dra mpandeha 30 isa hamonjy fahoriana any Morondava izy io.
Maty ny motera mampandeha io sambokely io nanomboka tamin’ny 2 ora tolakandro tany ho any. Niezaka nanamboatra izany tao anatin’ny adiny iray ny tomponandraikitr’ilay sambo nefa tsy nahitam-bokany. Nanomboka niha-niakatra tao anaty sambo ny rano tamin’ny 8 ora alina. Nitarika ny faharendrehan’ny sambo izany tamin’ny 11 ora alina tany ho any, raha ny fanazavana azo. Mpamily sambo kely hafa teny ambony rano no nahita ny zava-nitranga ka niantso tomponandraikitra hanavotra azy ireo tamin’io fotoana io. Nanavotra ireo mpandeha hatrany izy ireo nandritra izany, ka nahavotra mpandeha teo amin’ny 20 teo.
Nidina ifotony nanao ny fikarohana avy hatrany ny teo anivon’ny sampana mpamonjy voina sy avy amin’ny BNGRC vantany vao nandre ny tranga. Nanavotra ireo mpandeha nilentika sy nikaroka ireo tsy hita. Natomboka ny fikarohana sy fanavotana ireo mpandeha rehetra nandritra izany. Avotra nandritra izany ireo mpandeha 26 isa. Hatramin’ny omaly, olona efatra no hita ny vata mangatsiakany. Mbola misy mpandeha roa karohina sy tsy mbola hita hatramin’izao.

Mino

Partager sur: