Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’Antanimora ny telo lahy, raha toa ka nalefa eny Anosiala ny roa lahy, tamin’ny andian-jiolahy voasambotry ny zandary teny Anosizato Atsinanana, afakomaly. Mpanao asa ratsy miampy fampiasana fitaovam-piadiana toy ny antsy lavalela izy ireo. Naharay fitarainana noho ny tranga fanendahana matetika niseho teny amin’ny manodidina ny mpitandro filaminana. Nanao vela-pandrika izy ireo nahafahana nisambotra ireo tsy valahara. Jiolahy efa mpamerin-keloka amin’ny fandrobana ny iray tamin’ireo dimy voasambotra. Tsy vaovao amin’ny mponina eny an-toerana intsony ity olon-dratsy atao hoe Monaka ity. Efa nigadra noho ny resaka fanendahana ity farany ny taona 2024. Niara-voasambotra tamin’ny vehivavy maromaro izy tamin’io fotoana io. Ireto farany izay niara-nanao ny asa ratsy taminy. Notanana am-ponja i Monaka saingy niverina nanao ny asa ratsiny indray taty aoriana. Ankoatra azy, tsy ampy taona ny roa lahy ka notazomina eny amin’ny toby fanitsiana eny Anosiala. Mitohy ny famongorana ireo mpanao ratsy ataon’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Fenoarivo sy ny ekipany.
Tsiferana R.