Mirongatra ny fahitana zaza menavava narian-dreniny eny an-dalana, anaty fako, anaty lavapiringa sy ny maro amin’izao fotoana izao. Hiharan’ny lalàna ary mitarika amin’ny fanagadrana tanteraka ny fanaovana izany. Miatrika fanadihadiana etsy amin’ny PMPM Tsaralalàna ireo ray aman-dreny nanary ny zanany tetsy Befelatanana.
Miatrika fanadihadiana etsy anivon’ny Polisim-pirenena misahana ny fiarovana ny ankizy (PM PM) etsy Tsaralalana, omaly hariva, ny ray aman-drenin’ilay zaza 7 volana nisy nanary tetsy Befelatanana, ny 16 marsa teo. Taorian’ny fanaparitahana ny sary sy fampiantsoana azy ireo tonga nitolo-batana tany amin’
ny polisy izy ireo. Anton’ny fanadihadiana atao amin’izy ireo ny nanaovan’izy ireo tandrevaka ka nahatonga ny zanany ho very. Atolotra ny fampanoavana kosa izy ireo aorian’ny fanadihadiana atao aminy.
Navelan’ny ray aman-dreniny teny akaikin’ny Maternité Befelatanana, ny alin’ny 16 marsa lasa teo, ny zaza vao fito volana monja. Olona tsara sitrapo sendra nandalo no nahita ary nampandre avy hatrany ny Kaomisarian’ny Boriborintany fahadimy (CSP5). Nentin’ny polisy notsaboina teny amin’ny hopitaly HJRA ilay zaza taorian’izay. Nahitana kitapo iray niaraka taminy ary hita tao ny antontan-taratasy ahafantarana ireo ray aman-dreniny.
Zaza iray nisy nanary teny amoron-dalana
Ankoatra izay, nahitana zazakely latsaka nisy nanary teny amoron-dalana ihany koa tetsy Ankadiefajoro, Ambohimangakely, afakomaly. Nampiarahan’ireo olona namela azy teny an-toerana tamin’ny entan-keliny ihany koa io zaza io. Mbola tsy fantatra ny ray aman-dreny nahavanon-doza hatramin’ny omaly.
Marihina fa voarara sy mampigadra ary handoavana lamandy ny famelàna ho irery ny olona marefo, anisan’izany ny zazakely, araka ny fehezan-dalàna famaizana, andininy 349 sy 350. Voakasik’izany ireo olona na ray aman-dreny manary na mamono ny zanany.
Mino