Fanafiana mitam-piadiana: jiolahy enina maty voatifitra

Lavon’ny tifitry ny polisy ny enin-dahy mpanao fandrobana mitam-piadiana tao Toamasina, ny alin’ny alakamisy 20 marsa teo. Mpanadio trano ao amin’ny banky iray ao an-toerana voasaringotra.

Nirefodrefotra ny basy nifamalian’ny polisy sy ny jiolahy, ny alin’ny alakamisy tokony ho tamin’ny 7 ora sy sasany, niainga avy teo Mangarivotra ka hatrany Mangarano sy Tsarahone­nana, ao Toamasina. Jiolahy enina lavo. « Niainga avy tamin’ny loharanom-baovaon’olon-tsotra ny momba ireo jiolahy mikambana anatin’ny B-13. Nanao fanaraha-maso ny polisy nanao fanamiana sivily », hoy ny Tonian’ny fampanoavana anivon’ny fitsarana voalohany Toamasina, Vahiny Yvy Sandro. Nikasa handroba mpandraharaha, ny omaly zoma 21 marsa, ireo jiolahy ireo. Raikitra ny fifampitifirana ka lavo ny enina tamin’ireo mpandroba. Nah­itana fifandraisana sy fifampiresahana tao amin’ny finday an’izy enina mirahalahy ny ramatoa mpanadio trano mpiasan’ny banky sy mpiambina iray ao an-toerana. Mpanome baiko sy mandamina ny ekipa hanao ny fandrobana miaraka ilay mpiambina miara-miasa aminy io ramatoa io. Tom­pon’antoka tamina fanafihana maromaro tao Toa­masina ity fikambanan-jiolahy ity. Ani­san’­izany ny fanafihana nahafatesana polisy tao Ankirihiry, ny 13 marsa lasa teo. Ny fandrobana mpandraharaha tao Salazamay sy tany Ambo­hijafy, ny taona 2022.

Nihazona basy

Tratra teny amin’ny iray tamin’ireo jiolahy voatifitra ny alin’ny alakamisy teo, ny basy nampiasain’ny polisy maty voatifitry ny jiolahy tao Ankirihiry. Ahina ho nomen’ilay zandary ny namany ilay basy rehefa voasaringotra izy. Nohazonina am-ponja vonjimaika io zandary io ka voatery hiverenana atao famotorana indray momba ity raharaha ity. Ny jiolahy nihazona ny basy izay efa lavo nandritra ny fifandonana mahery vaika, io afakomaly alina io.

Sajo/ Tsiferana R.

Partager sur: