“Natao ho an’ny Malagasy rehetra ity fankalazana ity, ka andraikitsika tsirairay ny manome lanja sy mitondra anjara biriky amin’ny fanatanterahana azy. Tsy hohadinoina ireo nahafoy ny ainy ho an’ny tanindrazana”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, omaly, fotoana nanombohana […]
Mois : mars 2025
Tsy mandrimandry
Sanatrian’ny vava tsy mahita afa-tsy toe-javatra miiba, fa tsy azo atao ny miray tsikombakomba amin’ny ratsy! Andao hiresaka momba ny tsy fandriampahalemana, anio. Trangam-piarahamonina maro no miseholany etsy sy eroa. Tsy vitan’ny mampihorohoro fa tena maharikoriko. Ny fiarahamonina iray manontolo no mamohehatra. Tsy fotoan’ny fifanomezan-tsiny sy fifampiampangana, na fifanilihana […]
Filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama: “Ilaina ny fampanjakana ny tany tan-dalàna”
Navoaka omaly, tetsy Anosy, ireo mpianatra ho mpitsara, andiany Kanty. Ray miahy azy ireo ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama. Nisy hafatrafatra sy toromarika nomeny tamin’izany. Nambarany tamin’ny lahateniny fa makadiry ny andraikitra miandry ireo tanora nahavita fiofanana ho mpitsara ara-bola. “Ilaina ny fampanjakana ny tany tan-dalàna sy ny fanjakana tsara […]
TSELATRA
Jiolahy iray mpamaky trano saron’ny polisy avy ao Ilanivato ny 19 marsa lasa teo. Voasambotra tetsy Andavamamba noho ny resaka vaky trano izy io. Efa fomba fanaony ny manao izany ary lasibatra amin’ny asa ratsiny ny eny amin’ny manodidina an’Andavamamba Anjezika. Tafiditra ao anatin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana izao hetsika […]
Noho ny hanoanana : Mpianatra telo lahy tratra nangalatra mangahazo
Mpianatra telo lahy avy amin’ny sekoly tsy miankina iray any Mandritsara an-tampon-tanàna tratra nangalatra mangahazo 30 fototra tao Maroamboka, omaly tamin`ny 2 ora maraina. Ny hanoanana nisy teo amin’izy ireo sy mba hananana vatsy hiatrehana fianarana no antony nahatonga azy ireo nanao izao asa ratsy izao, raha ny fanazavana voaray. […]




