Mois : mars 2025

Eto Madagasikara : Ambony ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka

Maherin’ny 40% ny zaza latsaky ny dimy taona no miaina anatin’ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka eto Madagasikara. «Voakasik’ izany ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana, noho izy ireo mazàna lasibatry ny loza voajanahary», hoy ny lehiben’ny sampandraharaha fanjohiana sy fanaovana tombana eo anivon’ny Foibem-pirenena fanjarian-tsakafo (ONN), Ra­harijaona Andriamihaja, oma­ly. Manana […]

Asa Avotra Mirindra faha-5 : Tantsaha 14 000 nisitraka tohana

Tontosa tao anatin’ny 40 andro ny andiana asa fahadimy amin’ny tetikasa «Asa Avotra Mirindra». Voakasik’izany ny faritra Analamanga, nanomboka ny 13 novambra 2024 hatramin’ny 7 febroary 2025. Miisa 28 ny kaominina nisitraka ny tetikasa ao anatin’ny distrika Anjozorobe, Ankazobe ary Manjakandriana. Natao hanampiana amin’ny famokarana, ny fihariana ary hanatsarana ny […]

INDRAY MIJERY

Mitohy ny fiofanana FETP Frontline, hanamafisana ny traikefa ananan’ireo mpiasan’ny fahasalamana amin’ny fiatrehana sy fisorohana ny valanaretina. Eo koa ny fanatsarana ny fandrindrana ny asa. Ilaina ny paikady mirindra sy fanaraha-maso hentitra hanatsarana ny fitsaboana sy hisorohana ny fiparitahan’ny aretina. Notanterahina tao Farafangana, ny herinandro lasa teo, ny fampiofanana ireo […]

Aretina “anevrisme fusiforme”: Mila fandidiana any Inde i Fanilo

Tratry ny aretina “anevrisme fusiforme” amin’izao fotoana izao, Randriamamonjy Fanilo, zanak’i Torcelin Ran­driamamonjy, mpanao gazety misahana ny fanatanjahantena ato amin’ny Gazety Taratra. Misy fibontsinana noho ny ra mivaingana ny lalandra ao amin’ny lohany havia, araka ny “scanner” natao taminy. Naiditra teny amin’ny hopitaly miaramila Homi, ny 3 marsa lasa teo, […]