Hetsika namaky lay. Namelona indray ny firaisankina sy ny fanantenana mankany amin’ny hoavy mamiratra, teo amin’ireo mpisehatra rehetra amin’ny sarimihetsika ilay hetsika “ISSM Awards – Madagascar film festival”. Jery todika.
“Tratra ny tanjona, saingy maro ireo lesoka mila harenina”. Nahitsy sady nazava ny fehiny, avy amin’ny talen’ny Ivon’ny sarimihetsika sy sarimiaina eto Madagasikara, Andriantseheno José Dominique. Andro vitsivitsy taty aorian’ny nanatontosana ny andiany voalohany tamin’ny “Madagascar film festival- ISSM Awards”, feno ny fepetra anaovana ny jery todika.
Ny zava-dehibe indrindra dia ny nampivondrona ireo mpisehatra rehetra eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika eto Madagasikara. Afaka nifankahafantatra, nifampiresaka, nifampizara traikefa ary nifandray bebe kokoa izy ireo. Nandrava sakantsakana sy fomba fijery diso maro izany, na teo amin’
ireo samy mpisehatra, na teo amin’ny mpankafy. Taloha, samy nanao izay mety taminy ny isan-tsokajy. Nikonona ny azy ny mpanao sarimihetsika lava. Nitokana ny mpanao sarimihetsika fohy. Nanana ny lalany ny mpanao horonantsary fanadihadiana, sns. “Taorian’ iny hetsika iny, efa misy teboka iraisana izao. Maro ireo teo vao nahatsapa hoe hay manana matihanina amin’ny resaka feo anaty sarimihetsika, ohatra, eto. Tao koa ireo izao vao nahatsapa hoe hay manana lenta toa izany ny sarimihetsika malagasy, fa akaiky kely loatra ny fanaratsiana hatramin’izay”, hoy ny fanampim-panazavan’ny talen’ny ISSM.
Harenina ny lesoka
Nahafahana namoha talenta maro manodidina ny sarimihetsika koa iny festival iny. Ny lesoka voalohany tsapa dia teo amin’ny fotoana nanomanana azy. Teo koa ny lafiny serasera sy fampahafantarana, na ho an’ny mpisehatra izany, na ho an’ny besinimaro. “Na maro aza ny olona tonga, tsy ampy ny fampahafantarana. Raisinay hanarenana ny andiany manaraka izany. Fa lehibe indrindra ihany koa ny lesoka teo amin’ ny hoenti-manana. Inoana fa ahitam-bahaolana izay”, hoy ny fanazavana.

Nankasitrahana ny rehetra
Nezahina tsy nisy nodinganina ireo olona nanandratra sy nasandratry ny sarimihetsika malagasy, indrindra ireo nanomboka ny taona 2000 no nankaty. Tazana teo avokoa ireo kalaza, ireo teo aloha sy taorian’ny caméra.
Anisan’ny mafy indrindra ihany koa ny asan’ireo mpitsara ny fifaninanana, namoahana ireo izay mendrika isan-tsokajy, arakaraka ny vanim-potoana nizarana azy. Samy nandrirotra araka ny fahaizany avy ka tsy nisy nandeha hoazy izany mihitsy tao amin’ny fitsarana. Tsy ampy, araka izany, ny fotoana nomena ireo mpitsara, saingy nahita ny marimaritra iraisana ihany izy ireo. Nahitana matihanina sy voky traikefa amin’ny sarimihetsika, mpanao gazety sy mpiasan’ny haino aman-jery. Tena mendrika, araka izany, izay nahazo ny mari-pankasitrahana sy ny nandresy isan-tsokajy.
Tsy mora ihany koa ny asan’ny komity mpikarakara, soa ihany fa olona ao anatin’ny tontolo avokoa. Anisan’ny asan’izy ireo, nahazoana sitraka, ny fanehoana ny “labyrinthe cinématographique”, “plateau de tournage”, sns, nanehoana ny fomba fanodinana sarimihetsika, ka natao hifaranaka tamin’ireo lohahevitra nosafidina izay. Azo antoka fa hitohy sy hatsaraina ito farany, amin’ny andiany manaraka eo.
Farany, kanefa ny lehibe indrindra, hisy ny fanehoana hita maso izay fampivondronana izay. Hanatontosa sarimihetsika iraisana ny fiombonan’ireo mpisehatra. Hiaraha-miasa amin’ireo manana fitaovana raitra izany, mba hanana ny lenta avo vontosin’ny traikefa iombonana. Mazava loatra fa manondro mankany amin’ny iraisam-pirenena ihany koa ny fironan’ny sarimihetsika malagasy. Eo am-piketrehana izay fisokafana izay ny rantsamangaika rehetra…
Ireo nahazo fankasitrahana:
Horonantsary fanadihadiana: “Tavela” – Geofrrey Gaspard
Sarimiaina: “Ray” – Herizo Bashy Ramilijaona
Sarimihetsika fohy: “Ilay voa” – Rado Andriamanisa
Sarimihetsika lava (2000- 2010): “Aza mavandy” – Joela Andriamparasoa
Sarimihetsika lava (2011 – 2020): “Bab sy Cortez” – Tovomanana Maki
Sarimihetsika lava (2020 – 2024): “Joe” – Zo Tahiana Hariminoson
Lehilahy mpilalao mendrika: Gabriel Razaka
Vehivavy mpilalao mendrika: Stéphanie Razakaratrimo
Trophée d’Honneur: Disko Afrika – Luck Razanajaona
Coup de Coeur du jury – Sarimihetsika fohy: “Batardes” – Rindra Rambeloson
Coup de Coeur du jury – Sarimihetsika lava: “Nampoina” – Henri Randrianierenana.
Nangonin’i Zo ny Aina Randriatsiresy




