Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina: “Aoka ny mpanao gazety ho sarotiny amin’ny asany”

Notanterahina tany Morondava ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nanatrika izany ny minisitra Volamiranty Mara Donna.

Nanafatrafatra ny mpisehatra amin’ny asa fa­naovan-­gazety ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, afakomaly, tany Moron­dava . “Aoka mba ho saropiaro amin’ny asantsika isika. Tsy hamela na iza na iza hamiravira ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara”, hoy izy, nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany natokana ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.
Etsy andaniny, nitondra ny fanehoan-keviny ny minisitra, taorian’ny namoahan’ny RSF ny laharana misy an’i Madagasikara eo amin’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety. Nametra-panontaniana maromaro ny tenany tamin’izany. “Nalaina ve ny hevitry ny fianakaviamben’ny mpanao gazety sa iza no loharano niaingana? Oviana ny fotoana nanaovana ny fanadihadiana ary teknikam-panadihadiana tahaka ny ahoana no nampiasaina? Aiza ny sehatra nohadihadiana ?”, hoy izy.

Tsy mpanao gazety tokana…
Nanteriny fa ilaina ny fakana ny hevitry ny mpanao gazety maro fa tsy mpanao gazety tokana. Antonin’izany ny mba hananana maridrefy ilazana fa mihemotra na mandroso ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara. “Tokony hiainga avy amin’ny mpanao gazety maro anisa ny hevitra maneho ny endriky ny asa fanaovan-gazety eto Madagasikara”, hoy izy.
Namaranany ny lahateniny ny filazany fa tsy nitsanga-menatra i Madagasikara nandritra ny fampiantranoana ireo hetsika roa lehibe natao teto Antananarivo. Anisan’ny nanome tanana ny fitondram-panjakana tamin’izany ny mpanao gazety, araka ny nambarany.

Synèse R.

Partager sur: