Zazakely vao teraka hita faty tao anaty tatatra tetsy Bemasoandro Itaosy, ny faran’ny herinandro teo. Olona sendra nandalo no nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anaty rano ka nisokitra izany. Nosokafana ny lamba ary zaza tsy nisy aina intsony no hitan’ny olona nifono lamba fotsy. Raha ny fanazavana voaray, narian’ny reniny mbola velona ity zazakely ity.
Taxi-be Sprinter zotra 186 no nirehitra ny alin’ny zoma 2 mey, teo akaikin’ny EPP Nanisana. Nirotsaka tamin’ny asa famonoana ny afo ny sampana mpamono afon’ ny kaominina eny Andravoahangy sy ny avy ao Tsaralalana. Naharitra adiny iray sy 20 minitra vao maty tanteraka ny afo. Tsy nisy ny naratra sy namoy ny ainy nandritra izany.
Rongony milanja 1 252 kg, mitsinjara 75 gony sy tapany, no tratran’ny mpitandro filaminana tany Agnalamavo, fokontany Maroraha, kaominina ambanivohitra Analamary, ny 2 mey lasa teo. Vehivavy iray no voasambotra nandritra izany, raha tafaporitsaka kosa ireo olona maromaro nitondra ny entana. Nogiazana eny amin’ny vondron-tobim-paritra Betroka ireo rongony ireo.




