Fampiasana ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) amin’ny fanabeazana sy ny fahasalamam-bahoaka. Fanavaozana niomerika ny rafitry ny fitsarana. Fampivoarana amin’ny alalan’ny niomerika ny fanomezana taratasy momba ny tany, “certificat d’immatriculation” sy ny “certificat de situation juridique”. Voaresaka ireo nandritra ny dinika momba ny fanitsiana ny drafitrasa isan-taona voarakitra ara-bola (PTBA) 2025 an’ny tetikasa Prodigy, ny zoma teo. « Nofakafakaina sy nofidina ireo asa azo tanterahina haingana sy misy vokatra mivaingana, indrindra ireo tsy mila dingana sarotra sy mavesatra », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Stephanie Delmotte, nandritra ny fivoriana notarihiny. Araka izany, nifanakalo hevitra ireo tomponandraikitra samihafa ka nahafahana nametraka fototra mazava ho amin’ny drafi-pampiharana mifanaraka amin’ny tanjona sy ny laharam-pahamehan’ny firenena ary ahafahana manatanteraka ny tetikasa.
Henintsoa




