E-Toerana: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny fandraharahana

Notokanana tamin’ny fomba ofisialy, ny alarobia teo, ny efitrano « e-Toerana » eny amin’ny Antenimieran’ny in­dostria sy ny varotra eto An­tananarivo (CCIA) etsy Anta­ninarenina natokana hano­hanana ny fandraharahana. Manara-penitra tanteraka ireo efitrano noho izy ahitana ireo fitaovana niomerika hiaka farany ahafahan’ireo mpandraharaha sy matihanina mifanakalo hevitra ampitain-davitra. Ampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ihany koa ny toerana ho mariky ny fironantsika mankany amin’ny fampiasana ny teknolojia moderina eo amin’ny sehatry ny fandraharahana. Fa indrindra ho taratry ny fanavaozana entin’ny CCIA ho fanohanana ny mpandraharaha malagasy sy ny fampandrosoana ny toekarena eto amin’ny firenena.
Ankoatra izay, « mbola mi­tohy ny fifampidihina eo amin’ ny solontenam-panjakana ame­rikana sy ny fanjakana mala­gasy ary ny sehatra tsy miankina manoloana ny fampakarana haba 47% ny fanondranan’ entana ataon’i Madagasikara any an-toerana », hoy ny minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, nandritra ny varavarana misokatra nataon’ny CCIA. Tsy misy hoy izy na iray andro aza tsy hifampidinihana mahakasika ity raharaha ity. Hiaraha-mahalala fa hiantraika betsaka eo amin’ ny fanondranan’entana ny fanapahan-kevitra raisin’ny filoha Donald Trump raha toa mihatra ny fampakarana haba. Nilaza ny minisitra fa miara-misalahy mamolavola paikady mafonja ny fanjakana sy ny sehatra tsy miankina hametrahana ny marimaritra iraisana momba ny fifanakalozana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Tsiahivina fa hifarana ny volana jolay izao ny fampiatoana 90 andro napetraky ny filoha Donald Trump mahakasika ny fampiharana ny fampakarana haba ataon’i Etazonia.

Henintsoa

Partager sur: