Nifarana ny sabotsy teo, ny fanamarihana ny faha-10 taonan’ny Union des photographes professionnels de Madagascar, na ny UPPM. Notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Radisson Blu, Tana Water Front ny lanonana nanamarihana izany, izay nanomezana ny mari-boninahitry ny kanto ireo mpaka sary matihanina.
Samy naneho ny maha mendrika izao fanomezana mari-boninahitra izao ireo nandaha-teny, na ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina izay nanolotra, na ny mpikambana ao amin’ny UPPM izay notolorana. 4 no nomena ny « Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture », ka anisany i Fidisoa Ramanahadray, anisan’ireo mpaka sary zokiny. 5 kosa no nahazo ny « Officier » ary 9 tamin’ny laharam-boninahitra « Chevalier ». Ankoatra ireo, nankasitrahana ihany koa ireo mpikambana taloha, izay nitondra ny anjara birikiny tao amin’ny fikambanana.
Zava-dehibe ho an’ny UPPM ny fanomezana mari-boninahitra ireo mpikambana, izay midika fa manana ny toerany eo amin’ny tontolon’ny zavakanto ny asan’izy ireo. Midika ihany koa fa asa miroborobo ny sary pika, ka miavaka tsara ny matihanina sy mpankafy sary fotsiny. Manaporofo ihany koa fa velona sy miaina ny fikambanana, ary anisan’ireo mihetsika indrindra amin’ny tontolon’ny zavakanto eto Madagasikara. Porofon’izany ireo hetsika marobe efa tontosa. Mbola maro koa anefa ny miandry, ary efa natsidiky ny UPPM sahady ohatra ny « Regards croisés de l’Océan Indien » sy ny « Marathon photo » manaraka.
Zo ny Aina