Filoha Rajoelina Andry: Manana harena anaty rano miavaka i Madagasikara

Nosokafana, omaly 9 jona, tany Nice Frantsa, ny fihaonambe fahatelo ny firenena Mikambana mahakasika ny ranomasimbe (UNOC 3). Miaraka mikarakara azy i Frantsa sy i Costa Rica, izay haharitra hatramin’ny 13 jona, tarihin’ny filoha frantsay Ema­nuel Macron sy ny filohan’i Costa Rica, Chaves Robles. Miisa 124 ny firenena mandray anjara, ka anisany i Ma­dagasikara, tarihin’ny filoha Rajoelina Andry, ny minisitry ny Tontolon iainana (Medd), Andonirina Max Fontaine ary ny minisitry ny Jono (MEPB), Mahatante Paubert.
Miisa 47 ny fikambanana iraisam-pirenena sy rezionaly, toa an-dRtoa Ursula Von Der Leyen, filohan’ny Vondrona eoropenina, Razafindravahy Edgard sekretera jeneraly (SG) ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indiana (COI).
Nambaran’ny filoha Rajoe­lina Andry, fa nosy lehibe aty amin’ny ranomasimbe Indiana i Madagasikara. Manana ha­rena anaty rano tokana eran-tany, kanefa marefo mano­loana ny vokatry ny fiovan’ny toetr’andro, toy ny fandotoana ny ranomasina, ny voka-dra­tsin’ny rivodoza, ny fitrandrahana tsy ara-dalàna ny harena an-dranomasina. Nasonga­diny ny Fari-dranomasina ma­nokana ara-toekarena (ZEE), midadasika lavitra noho ny velaran-tany an-tanety. Nota­nisainy ny ady amin’ny jono tsy ara-dalàna ataon’i Mada­gasikara sy ny fanandratana ny Toekarena manga. Nam­pa­hatsiahiviny ny hanamafi­sina ny fiaraha-miasa iraisam-pirenena, araka ny fifanara­hana BBNJ. Noresahana ny paikady hampihenana ny en­tona mangeja hafanana (GES), antoka hampiroboroboana ny Toekarena manga.

Njaka A.

Partager sur: