Manana harena ambanin’ny tany maro, sokajiana ho saro-pady i Madagasikara. Tena ilain’ny tsena iraisam-pirenena izy ireny, izay tokony havadika mba hitondra harena. Nankatoavin’ny filankevitry ny minisitra, ny 4 jona teo, ny hidiran’i Madagasikara ao anatin’ny Minerals Security Partnership (MSP) Forum. Ivondronan’ny firenena mpamokatra harena ambanin’ny tany saro-pady ity vovonana ity. Ahitana an’i Aostralia, Kanada, Estonia, Finlandy, Frantsa, Alemaina, India, Italia, Japana, Norvezy, Korea Atsimo, Suède, Royaume Unis ary ny Vondrona eoropeana (UE). Maro ny tombontsoa ho azon’i Madagasikara amin’ny fidirana anaty MSP Forum. Ho fantatry ny sehatra iraisam-pirenena, sady hisarika ny mpampiasa vola. Hampiroborobo ny fiaraha-miombon’antoka. Ahafahana miaro ny tombontsoan’i Madagasikara, sy hifanakalozana traikefa, sns.
Sokajiana ho harena ambanin’ny tany saro-pady ny akora stratejika sy manana ny lanjany amin’ny lafiny toekarena. Anisan’izany ireo ilaina amin’ny famokarana angovo azo havaozina, na koa ny teknolojia niomerika. Toy, ny Vanadium, ny Kobalta, ny Nikela, ny Platina, sns.
Njaka A.