Indostria: Nampiditra 18 miliara Ar ho an’ny fanjakana ny Star

Orinasa manana ny lanjany sy ny toerany eo amin’ny sehatry ny indostria eto amin­tsika ny Star. Fanalahidin’ny fampandrosoana maharitra ny fiaraha-miasan’ny fanjakana sy ny tsy miankina. Manana petra-bola ao amin’ny orinasa Star ny fanjakana malagasy sady mandoa hetra. Nitondra tombony 18 442 780 000 Ar ho an’ny kitapombolam-panjakana ity orinasa ny taona 2024. Niakatra +35% io raha oharina ny taona 2023. Mana­marina ireo ny maha mpisehatra azy eo amin’ny toekarena malagasy. Ankoatra an’io tombony azon’ny fanjakana amin’ ny fananany petra-bola io, orinasa faharoa mandoa hetra be indrindra eto Madagasikara ihany koa ny Star.

Andry iankinan’ny toekarena

Maherin’ny 19 000 ny tan­tsaha miara-miasa amin’ity orinasa ity. Mampiasa mivantana olona anarivony sy ankolaka, toy ireo mpamongady sy mpaninjara manerana ny Nosy, miparitaka any amin’ny tanàn-dehibe sy faritra maro eto amintsika. Midika ireo fa andry iankinan’ny toekarena malagasy ity orinasa indostrialy ity. Koa, zava-dehibe ny fisian’ny fepetra ara-ketra afaka manosika ny fampiroboroboana ny fampiasam-bola, ny famoronan’asa mampivoatra ny toekarena. Mikaroka hatrany ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana ity orinasa indostrialy ity.

Njaka A.

 

Partager sur: