Noteren’ny hanohanana : Raim-pianakavina namoy ny ainy

Sarotra tokoa ny fiainana! Raim-pianakavina iray namoy ny ainy tetsy Morafeno, ambadiky ny Hopitaly Manaram-penitra, ny sabotsy 7 jona tolakandro teo. Manodidina ny 45 taona io raim-pianakavina iray io. Nidaraboka tampoka teo amin’ny toerana voalaza izy. Samy nanao izay azony natao ny nanatri-maso sy ny fokonolona. Nanome mofo sy niezaka namerina ny herin’io lehilahy io. Vao nampihinana an’ity farany ny mofo nisy kisoa, safotra tampoka io lehilahy io. Fady sakafo misy kisoa raha teo io niharan’ny tsy fahasalamana tampoka io. Hanohanana tafahotra no heverina ho nahafaty io lehilahy tao an-toerana io. Nalain’ny fianakaviany ny vatana mangatsiaka.

Sajo

Partager sur: