Talatamaty: Renim-pianakaviana maty voadonan’ny moto

Vehivavy 73 taona namoy ny ainy voadonan’ny moto tetsy Talatamaty, ny alahadin’ ny Pentekosta lasa teo, tamin’ny 7ora hariva. Niseho tetsy amin’ny RN4, PK 12+950 fo­kontany Mandriambero, kaominina Talatamaty ny loza. Moto notaingainan’olon-droa nandeha tamin’ny lalana ma­hitsy tany anaty tanàna Man­driambero izany ka izao nanao lozam-pifamoivoizana izao. Nifaoka mpandeha tongotra izay nizotra eny amin’ny làlana natokana ho an’ny mpandeha tongotra ny moto. “Efa hitan’ ny olona nivilavila hatrany aloha tany ity mpitondra moto ity”, raha ny fanazavan’ny nanatri-maso. Vokany, naratra mafy vokatry ny dona nahazo ity renim-pianakaviana voa­dona ity. Nentina teny anivon’ ny toeram-pitsaboana izy nefa tsy tana ny ainy. Naratra mafy ihany koa ilay lehilahy nitondra kodiaran-droa. Raha toa ka naratra maivana kosa ny vehivavy iray niaraka taminy. Raha ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana, nandray zava-pisotro misy alikaola ary mbola mamo ilay mpitondra kodiaran-droa tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Ambony ny tahan’ny alikaola tao amin’ ny vatany rehefa notsapaina tamin’ny fitaovana manokana (alco-test), raha ny fanaza­vana voaray.

Mino

Partager sur: