TSELATRA

Niparitaka nanerana ireo faritra hifamezivezen’ny besinimaro hatrany anaty elakelan-trano ny polisim-pire­nena nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Pentekosta teo. Nitandro ny filaminana, nisoroka ny korontana sy nisambotra ireo tontakely sy mpanao ratsy teny anivon’ny fiaraha-monina izy ireo. Tanjona ny hisian’ny fankalazana ny fety anaty filaminana tanteraka.
Lehilahy hita faty nihantona tamin’ny hazo tao amin’ny fokontany Besopaka, kaominina Sambava, omaly. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty io lehilahy io. Ahina ho namono tena izy.

Partager sur: