VAOVAO TAMBATRA

Nidona tamin’ny haran-dranomasina ny sambo mpitatitra entana Amory, teo am-pidirana ny helodranon’i Diego Suarez, akaikin’ny ranomasina Emeraude, ny alahady 8 jona teo. Tsy natahorana ilay sambo, satria tsy nisy rano tafiditra tao anatiny, sady tsy nahitana soritra simba tety ivelany. Voalaza fa olana ara-teknika no nitranga nandritra ny fidirana tao amin’ny seranan’Antsiranana. Tsy naninona, fa salama tsara ireo tantsambo 22 tao anatiny.

Notokanana ny « Lalan’ny Tily eto Mada­gasikara » eny Am­batofotsy Avaradrano, ny 7 jona teo. Mirefy 3,5 km ity lalana ity, mampitohy an’Ambatofotsy sy Tranombitsika any Antsahamarofoza. Notokanana tany Tranombitsika koa ny tsangambato manamarika ny faha-10 taonan’ny Tily eto Madagasikara. Tranobe roa no hita any an-toerana, ny ANT Space, ahafahana mikarakara vanim-potoana samihafa, sy ny Ivontoe­rana fanofanana (IFTEM).

Miisa 37 ny mpiasa ao amin’ny Ravinala Airports notolorana medaly volafotsy sy alimo, ny
5 jona teo. Nankasitrahana izy ireo, noho ny asa vitany tao amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, nandritra ny 10 hatramin’ny 25 taona. Nitarika ny fotoana ny mini­sitry ny Asa, ny fampananan’asa ary ny asam-panja­kana, Razakaboana Hanitra Fitiavana. Naneho ny fiarahabana sy ny fankasitrahana azy ireo koa ny minisiteran’ny Fizahantany (MTA).

Partager sur: