TSELATRA

Zazakely iray voatsatoka tamin’ny hety napetraka tamin’ny sisin-dalana, teny Ambohimalaza, omaly. Nahita sy nitondra azy tany amin’ny CSB Ambohimalaza ny raim-pianakaviana sendra nandalo. Nodidina teny anivon’ny hopitaly HJRA izy avy eo. Saika hovonoina ho faty io zaza io ka notsatohana tamin’ny hety. Lasa nitsoaka ilay nahavanon-doza ary navelany teo ilay zaza.
Lehilahy roa (17 sy 18 taona) voasambotry ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP2 Ambohijatovo, afakomaly. Voarohirohy ho mamitaka olona amin’ny filazana ho manana merkiora sy mitady olona hividy izany izy ireo. Tratra nisoloky teny Saropody Tanjombato ireto olon-dratsy ireto. Hakany vola mialoha ny olona resahiny ka efa nitotaly hatramin’ny 3 tapitrisa Ariary izany.
Andian-jatovo (12-18 taona) mahery fihetsika miisa valo tratran’ny polisy tany amin’ny fokontany Tsaramandroso sy Mahavoky Avaratra Mahajanga, afakomaly. Naharay fitarainana mahakasika ny fisian’andian-ta­nora mpanao herisetra ny polisim-pirenena. Nandray andraikitra izy ireo hamongorana izany. Mampiasa fitaovam-piadiana toy ny hazo, lefona sy vato izy ireo ary tsy mifidy toerana.
Nahatrarana rongony dimy gony, milanja 85 kg, tao Ambalafaminty, afakomaly, tamin’ny 8 ora alina. Nasi­trika tao anaty trano mbola tsy vita izany ka hitan’ny zandary miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Anjiamangirana, Anahidrano, faritra Sofia. Tafaporitsaka ny roa lahy niambina ireo rongony. Nogiazana ireo entana ary mbola mitohy ny fikarohana ny tompony.

Partager sur: