Anisan’ny nifantohana nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana (JME), natao ny 2-4 jona teo, tany Sainte Marie, ny fanabeazana ara-tontolo iainana, ny famokarana saribao ekolojika, ny famokarana ahidrano, sns.
Azo tsorina fa fitaratra amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ny EPP Vohilava ao Sainte Marie na Nosy Boraha. Nanentana ny mpianatra hanana toe-tsaina ara-tontolo iainana ny minisitry ny Tontolo iainana, Andonirina Max Fontaine. « Aoka ianareo tsy hanarinary fako, tsy hanapatapaka hazo, tsy handoro tanety, sns ». Nizarana fitaovana sy kojakoja fanadiovana, fitoeram-pako, boky torolalana ny EPP Vohilava. Nampiseho karazana fanodinana tavoahangy plastika efa niasa ny mpianatra.
Anisan’ny mampiavaka ny Nosy Boraha ny fananany harena voajanahary. Mila miomana anefa manoloana ny fiovan’ny toetr’andro, ny fandripahana ala, satria tsy mitsaha-mitombo ny mponina. Nilaza ny solombavambahoaka Imbiki Herilaza, fa manodidina ny 30 000 ny mponin’i Sainte Marie, ankehitriny, ary mety hahatratra 40 000 izany, afaka 12 taona.
Nambaran’ny sefo fokontany Vohilava, fa « atao isan’andro ny JME aty an-tsekoly », iaraha-miasan’ny Cisco sy ny fitantanam-paritry ny Tontolo iainana. Efa nampiharina nanomboka ny taona 2024 ny taranja Fanabeazana ara-tontolo iainana ao an-tsekoly. Tsiahivina fa efa an-dalana ny hamoahana ny sata haha Faritra arovana an-dranomasina sy an-tanety ny Nosy Boraha (APMT).

« Label saribao ekolojika »
Nomarihin’ny minisitra Andonirina Max Fontaine, fa « ilain’ny Malagasy ny arina fandrehitra. Azo atao tsara ny mamadika io fihariana io ho fandraharahana, amin’ny alalan’ny famokarana saribao ekolojika. Mamokatra kely ho an’ny tena ary azo itarina avy eo. Manantena aho fa hisy tokoa ny olona tena vonona hisehatra amin’ny famokarana saribao ekolojika, rehefa miverina aty Sainte Marie aho, atsy aoriana kely. Hametrahana label, mari-pamantarana autocollant ireo vokatra saribao ekolojika satria mitandro ny tontolo iainana ». Nentaniny ireo maniry izany hanatona ny Dredd sy ny tomponandraikitry ny tetikasa Madagascar Clean Cooking Initiative (MCCI), izay solontenan’ny tetikasa Mi-Arina. Nilaza ny tomponandraikitry ny tetikasa fa efa misy sahady ny trano fisakafoana, ao Sainte Marie, liana amin’ny saribao ekolojika vokarin’izy ireo.
Famokarana lomotra nohamainina
Miroborobo any Sainte Marie ihany koa ny famokarana ahidrano (algue marine). Taratry ny toekarena manga, mampandroso ny fihariana anaty rano. Anisan’ireo orinasa efatra miasa any an-toerana ny Nosy Boraha Seaweed Sarl (NBS). Mamokatra ahidrano mena nohamainina 70 taonina isan’andro tamin’ity taona ity raha 23,5 t tamin’ny taon-dasa, amina velaran-dranomasina 35 ha. Aondrana any ivelany ny ahidrano vokarin’ny NBS, ahodina ho vokatra fikojakojana vatana sy tarehy. Mampiasa olona 208, ka mpiasa raikitra ny 100. An-jatony ny tahala hanamainana ny ahidrano, rehefa avy nangonina avy any anaty rano. Nilaza ny tale sady anisan’ny nanangana ny NBS, Sébastien Jan, fa omena lanja manokana ny mponina eny ifotony, amin’ny maha orinasa tomponandraikitra ara-tsosialy (RSE) azy.
Misy koa ny orinasa iray hafa any an-toerana mamokatra ahidrano maitso, izay azo hahodina ho taratasy.
Fizahantany sy trozona
Araka ny efa namantarana azy, mampalaza ny Nosy Boraha ny fizahantany. Manodidina ny 85 ny isan’ny trano fandraisam-bahiny afaka mandray mpizahatany any an-toerana. Madio sy midadasika ny morontsiraka sy ny torapasika. Mampiavaka azy koa ny fandalovan’ny trozona misy vozona, manodidina ny 2 000 isan-taona, manomboka ny volana jona hatramin’ny oktobra.
Efa vita tanteraka ny lalana rehetra sy ny elakelan-trano ao an-tampon-tanàna, sy ny mianatsimo mankany amin’ny seranam-piaramanidina, miampita amin’ny nosikely Ile aux Nattes, tendrony farany atsimo any Sainte Marie.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy




