Kitra – Fifindrana mpilalao: Efa manakaiky ny klioba Sodaney i Gregas

Azo lazaina fa efa milamina ary mpilalaon’ny Al Merrikh SC, Razafimahatana Mika na i Gregas. Raha ny fanadihadiana natao omaly, ny taratasy fifindrana sisa no andrasana dia efa mpilalaon’ny Al Merrikh SC izy.

“Efa kely sisa…”! Ny afakomaly teo, nivoaka tao amin’ny pejy facebook-n’ny Al Merrikh SC, klioba ao Soudan, fa hifindra lasy ao amin’izy ireo, Raza­fimahatana Mika na i Gregas, lohalaharana ao amin’ny klioban’ny CFFA Andoharano­fotsy, tompondakan’i Madaga­sikara. Haharitra telo taona eo ny fifanarahany amin’ity klioba vaovao ity.
Raha ny vaovao azo tamin’ny loharanom-baovao iray eo anivon’ny CFFA, omaly, efa vita amin’ny ampahany ny fifanarahana fa ny famaranana sisa no atao. Anisan’izany ny fiandrasana ny taratasy fifindrana iraisam-pirenena (CTI). Nomarihan’ity mpapita vaovao ity hatrany, fa mety tsy anisan’ireo mpilalao hiaro ny voninahi-pirenena hiaraka amin’ny CFFA i Gregas, mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo klioba, “Ligue des Champions Caf 2026”.
Tsara ny mampatsiahy fa mpilalao nandrafitra ny ekipam-pirenena Barea Chan farany teo i Gregas. Namiratra tanteraka ny lehilahy tamin’ity taom-pilalaovana 2026 ity ary izy no voahosotra ho mpilalao mendrika tamin’ny Pureplay Football League (PFL), farany teo.

Andrasana ny an’i Coach Bebeto…

Efa mahoraka ihany koa fa lasa miandraikitra ny fanazaran-tena ara-batana ao amin’ny Al Merrikh SC, Rakoto­malala Tsitohaina na ny Coach Bebeto, izay mpanazatra ara-batana ny Barea Chan sy ny Disciples FC. Nilaza ny tenany, ny afakomaly teo, fa tsy mbola nisy ny resaka ofisialy ary mbola eto an-toerana ihany izy.

Fitia Randria

 

Partager sur: