Fampandrosoana eny ifotony – MFFT: Nahatsara ny fari-piainan’ny mponina ny tetikasa PDCID

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy tetsy Anosy ny dingana fahatelo amin’ny tetikasa PDCID III. Iarahana manatanteraka amin’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ho amin’ny fampandrosoana ifotony izany.

Nampahatsiahivin’ny minisitra, Andriantsitohaina Naina, fa mikendry ny hanamafisana ireo tolotra ho an’ny vahoaka avy amin’ny fanjakana eny anivon’ny kaominina, ary hampiroborobo sy hampahomby ny fitantanana eny ifotony, ny tetikasa PDCID III. “Tafiditra tanteraka ao anatin’ny Fan­da­ha­ra­nasam-pire­nena ho an’ny fitsinjaram-pahefana miabo (PNDE) ny fandaharanasa ary natao indrindra hanatsarana ny fari-piainan’ny mponina ambanivohitra”, hoy izy. Efa miditra amin’ny dingana fahatelo izany ary mikendry hatrany ny hanatsarana ny zava-bita tamin’ireo dingana teo aloha. Hanoha­nana ny asa atao any amin’ ireo kaominina ambanivohitra, araka ny nambarany.
Hiompana eny anivon’ny kaominina any amin’ny faritra Diana sy any Boeny, ho fanavaozana ireo fotodrafitrasa fototra sy fanamafisana ireo tolotra avy amin’ny fanjakana izany.
Iarahana miasa amin’ny alalan’ny Tahiry ho an’ny fampandrosoana eny ifotony (FDL) ary mpamatsy vola ny tetikasa Alemà KFW.

Nanova ny fiainan’ny vahoaka
Nambaran’ny ben’ny Tanàna Antranonkara, Ambanja, Fanja Emilie, fa nahazoana EPP efatra amin’ny fokontany efatra sy nahavitana lalan-tany 4km mahery ny PDCID III. Nanamafy izany ny ben’ny Tanànan’Ambohimena, Ambanja, Beravo Landry, fa mipaka any amin’ny vahoaka ny fiaraha-miasa amin’ ny FDL tamin’ny fanamboaran-dalana ka nahazoana tamberim-bidy ho an’ny kaominina. Teo koa ny nahazoana EPP sy biraom-panjakana. “Nanova ny fiainan’ny vahoaka avokoa izany rehetra izany noho ny tetikasa PDCID III”, hoy izy ireo.
Tsiahivina fa nanokatra izany ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, sy ny ambasadaoron’i Alemana, ny tale jeneralin’ny KFW ary ny tetikasa Alemà. Hitohy any atsimon’ny Nosy indray ny tetikasa.

Synèse R.

Partager sur: