Lany 100% teo anivon’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny fahalalahan’ny fanamboarana sy fivarotana toaka gasy. Notanterahina, omaly, tetsy amin’ny Lapan’ Anosikely ny fandaniana izany. Na izany aza, mbola nitondran’ireo loholona fanovana miisa fito izany tolo-dalàna izany. Haverina eny amin’ny Antenimierampirenena hodinihin’ireo depiote indray ary hanapahan’izy ireo farany ny momba ity vokatra malagasy iray ity izany avy eo. Anisan’ny tohan-kevitra nentin’ireo loholona nandaniana ilay lalàna ny filazana fa mampisongadina kokoa ny maha Malagasy ny toaka gasy. Eo koa ny fitsinjovana ireo tantsaha ary samy manana ny maha izy azy avokoa ny firenena tsirairay ka mampiavaka sy maneho ny maha izy antsika eo amin’ny tsena iraisam-pirenena io vokatra io.
Tsiahivina fa anisan’ny tompon’ny tolo-dalàna ary nitondra izany teny amin’ny Antenimierandoholona ny depiote isany, Andriamihaja Fanomezantsoa sy Rason Liva ary Mamihaja. Efa nolanian’ny depiote koa izany rehefa nasiam-panitsiana sy novaina. Niraisan’ireo depiote fa hitondra tombontsoa ara-toekarena sy ara-tsosialy ho an’ny firenena; hampitomboana ny fidiram-bolan’ny kaominina; hahafahana mamokatra sy mivarotra anatin’ny ara-dalàna izany, ny toaka gasy. Hamafisina kosa ny fanaraha-maso amin’ny fanarahana ny fepetra sy fenitra amin’ny famokarana mba hiarovana ny fahasalaman’ny mpanjifa. Ferana ho 44° ny tahan’ny alikaola ao anatiny. Eo koa ny fanomezana taratasy fahazoan-dàlana eo anivon’ny fokontany sy ny kaominina ary ny fametrahana marika manokana “Etiquetage” amin’ny vokatra raha mivoaka ny distrika namokarana azy.
*
Synèse R.




