Roa lahy nahatraran’ny polisy rongony nokasaina hamidy tao Andalanampotsy, kaominina Mananara-Avaratra, ny 16 jona teo. Nahatratra 40 fatorana ny rongony sarona teny amin’ireo roa lahy ireo. Notanana vonjimaika ireto farany.
Mpivady niara-namaky trano voasambotry ny polisy tao Morombe, omaly maraina. Nalain’izy roa ny fahitalavitra sy entana sarobidy tao amin’ny tokantrano nanaovany ny asa ratsy.
Fitaovam-piadiana AK47 niampy bala naterin’ny tsara sitrapo teo anivon’ny biraon’ny zandary ao ambanivohitra Andabotoka, distrika Maintirano, ny faran’ny herinandro teo. Nisy nanatitra tamin’ny gony tao ambaravaran’io olona io ilay fitoavam-piadiana ka antony nanaterany izany teny amin’ny zandary.




