Manaitra ny eo anivon’ny parlemanta, indrindra ireo solombavambahoaka, ny eo anivon’ny Transparency International – Initiative Madagascar (TI-IM). Anisan’ny nitondran’izy ireo hevitra ilay volavolan-dalàna manavao ny lalàm-pifidianana.
Nanao antso avo ireto fiarahamonim-pirenena ireto manoloana ny tolokevitra fanatsarana miisa dimy hoentin’ity fiarahamonim-pirenena iray ity ho fanatsarana ny lalàm-pifidianana. “Tokony hampidirina ao anaty lalàna izany mba hahatomombana sy hampadio ny vola mikoriana eo amin’ny tontolo politika eto amintsika”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny tokony hamerana ny vola ampiasain’ireo antoko politika sy ireo kandidà mandritra ny fampielezan-kevitra. Eo koa ny tokony hanasaziana ny momba ireo fandikan-dalàna mifehy ny famatsiam-bolan’ny antoko politika sy ny kandidà.
Etsy andaniny, hamoraina ny fanokafana kaonty any amin’ny banky ho an’ny antoko politika sy ireo kandidà ary hapetraka ny fepetra manery azy ireo hanokatra izany. Hoferana koa ny fanampiana eo amin’ny lafiny fitaovana sy ny vola ny Vaomiera mpanara-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana ara-politika (CCFVP) ahafan’izy ireo manantanteraka ny andraikiny
Mampivoatra ny demokrasia
Ankoatra izany, hapetraka ny fepetra manokana eo amin’ny vola na koa lafiny hafa mba hampitomboana ny fandraisana anjaran’ny vehivavy eo amin’ny tontolo politika ary hamoraina ny fahazoan’izy ireo famatsiam-bola.
Nohitsin’ny eo anivon’ny TI-IM fa fotoana izao hanovana ny fomba famindra ka handaniana lalàm-pifidianana mampivoatra ny mangarahara sy mampandroso ny demokrasia eto Madagasikara.
Tsiahivina fa efa maromaro ireo mpanao politika nivoy ny tokony hanavaozana ny lalàm-pifidianana nialoha ny fifidianana filoham-pirenena ny taona 2023. Anisan’ny niteraka ny fanoherana ny voka-pifidianana sy ny tsy fandraisan’anjaran’ireo kandidà sasany izany.
Synèse R.




