Fetin’ny Fahaleovantena : Nampiseho ny talentany tamin’ny sarinady ny FDS

Nampiaiky ny mpijery marobe teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny sarinady lehibe nataon’ny Hery fiarovana sy filaminana (FDS). Ao anatin’ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy izany.

Tafiditra tanteraka anatin’ ny hetsika fankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantena sy nijoroan’ny Foloalindahy malagasy ny hetsika « sarinady lehibe » teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, om­aly. Nanome voninahitra izany teny an-toerana ny minisitry ny Foloalindahy, ny Jly Sahi­velo Lala Monja Delphin, ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police, Rakotoarimanana He­ri­­lala, ary ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andrian­tsarafara. Nanotrona ny hetsika koa ireo lehiben’ny fibaikoana sy tomponandraikitra isan’ambaratonga avy amin’ireo hery telo toko ary ireo mpijery marobe namaly ny fanasana. Nandray anjara tamin’izao sarinady izao avokoa ireo hery telo. Teo ny fanehoana hetsika atao manoloana ny fanafihan-dahalo. Taorian’izay ny fanehoana ny famotsorana takalonaina nataon’ireo miaramila ao amin’ny Sekolim-pirenen’ny manamboninahitra lefitra (ENSOA) ao Antsirabe. Niompana tamin’ny fiarovana olo-manan-kaja ny seho na­taon­’ny zandarimariam-pirenena, nahitana ny GSIS sy ireo alika mpitsongodia. Nam­piavaka ny seho nataon’ny polisim-pirenena indray ny fanehoana ny fahaiza-manao amin’ny fiarovan-tena mampiasa na tsy mampiasa fitaovam-piadiana. Namaranana ny seho ny sarinady niombonan’ireo hery telo tamin’ny hetsika nampiasana ireo fitaovana an-tanety sy ana habakabaka ary ireo fitaovana ampiasana ny teknolojia avo lenta amin’ny fanaovana fitsirihana.

Jean Claude

Partager sur: