Raim-pianakaviana iray maty notrongisin’ny ombiny tao Marofarihy, distrikan’i Fenoarivobe, ny alarobia 18 jona teo. Rovitra tanteraka ny kibony, ny fe hatramin’ny lamosin’ilay rangahy izay efa nitsirara tamin’ny tany tamin’io fotoana io.
Olona iray namoy ny ainy taorian’ny lozam-pifamoivoizana niseho tao Manjaka rehefa niala avy any Ambohimahasoa, omaly. Mpitety tsena io fiara io. Nivadika tampoka ny fiara ka nikodiadia nifatratra tao anaty tanimbary.
Hifampitadiavana ny sambo AW izay mampitohy an’i Madagasikara sy Kaomoro, nanomboka omaly. Niainga tao Mahajanga nikasa hihazo an’i Anjouan io sambo io. Samy mbola tsy manam-baovao momba azy io ny manam-pahefana avy amin’ny firenena roa tonta.




