Noraisin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, tetsy Tsimbazaza, ny solontena vaovao ho an’ny fikambanana iraisam-pirenena Frankofonia (OIF), aty
amin’ny ranomasimbe Indianina, Traian-Laurentiu Hristea. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavononany ho amin’ny fiaraha-miasa ho fanohanana ireo andrimpanjakana mpanao lalàna. “Tafiditra ao anatin’izany ny amin’ny fanatanterahana ny andraikiny ho an’ny fitantanana mangarahara”, hoy izy.
Voaresaka koa ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny politika, kolontsaina ary ny fanohanana ny andrimpanjakana demokratika eto Madagasikara.
Anisan’ny niompana tamin’ny lohahevitra noresahina ny fanamafisana ny fifandraisana ara-diplaomatika sy ara-teknika eo amin’ny Antenimierampirenena sy ny OIF. Eo koa ny fanohanana amin’ny sehatry ny fanabeazana sy ny fanatsarana ny rafitra eo anivon’ny parlemanta. Manampy izany ny fanomezana lanja ny fiteny sy kolontsaina frankofonina eto an-toerana. Nifampizaran’ny roa tonta ny lanjan’ny tambajotra «Réseau des femmes parlementaires». “Antenaina ho tohanan’ny OIF
amin’ny alalan’ny fanofanana sy fifanakalozana traikefa, ho fampiroboroboana ny fitovian-jo sy ny fandraisan’andraikitry ny vehivavy eo amin’ny sehatra politika izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierampirenena. Anisan’ny niatrika izany ny seketera jeneraly, Randriamahafanjary Calvin.
Tsiahivina fa feno 36 taona amin’ity taona ity no nidiran’i Madagasikara ho mpikambana ao amin’ny OIF raha nanomboka tamin’ny taona 1989 izany.
Synèse R.




