Fikirakirana ny tambajotra sosialy: miantraika amin’ny fomba fisainan’ny tanora

Marolafy ny fiantrai­kan’ny fampiasana tsy ara-drariny na diso tafahoatra ny tamba­jotra sosialy ho an’ny tanora. Fanamby ho an’ny fivoaran’ny fisainana sy ny fifandrai­sany eo amin’ny fiarahamonina ary fampandrosoana ny teknolojia niomerika.

Fanamby goavana amin’ ny fampandrosoana ny firenena sy ny fomba fisainan’ny fiarahamonina ny fahaiza-mikirakira tambajotra sosialy. Nitondra fanazavana ara-tsiantifika mahakasika ny fiantraikan’ny fampiasana izany amin’ny fomba fisainan’ ny tanora ao anatin’ny boky nosoratany mitondra ny lohateny « Tik Tok et la Géné­ration Numérique » nivoaka ny 5 jona, i Fabrice Lollia, mpikaroka sy docteur en Science de l’information et de la communication, momba ny « Impact des nouvelles téchnologies sur l’organisation ». Manova ny fisainan’ny tanora sy ny maha izy azy, hoy izy, ny tambajotra sosialy noho izy manakana ny fampiasan-tsaina. Mampisi­taka ihany koa ny tanora anaty fiarahamonina ka manidy azy anaty tontolo iray hafa, araka ny voka-pikarohana nataony. Araka izany, sakana amin’ny fampivoarana ny saina sy ny fikarohana marolafy ny miantehitra betsaka amin’ireo horonantsary hita na vaovao ahe­lin’ny tambajotra sosialy. Ma­zàna, zary lasa dokambarotra ka tsy mifanaraka velively amin’ny loha­hevitra jeren’ny tsirairay ny zava-miseho.

Ankoatra izay, mora ho an’ ny mpanararaotra ny mamandrika ireo tanora amina fitaka avo lenta ka handresena lahatra hiroboka amina asan-jio­lahy, fanararaotana ara-nofo, fisolokiana sns. Azo lazaina fa loza ho an’ny tanora ny fampiasana diso tafahoatra ny tambajotra sosialy sy ny in­ternet.

 

Voafetra

Olana maneran-tany ny fiantraikan’ny fampiasana ny tambajotra sosialy. Misy ireo firenena efa nandray fepetra manokana mahakasika izany toy ny ao Eoropa, Etazonia, Australie sy ny maro hafa.

Ho an’i Madagasikara ma­nokana, ambany ny tahan’ny fampiasana internet. Tsy mi­fandanja ihany koa ny fisitrahana izany isaky ny faritra. Azo lazaina fa mivelatra ny fampiasana izany any amin’ ireo tanàn-dehibe sy toeram-piasana samihafa. Na izany aza, « maro ny voka-dratsy amin’ny fampiasana ny teknolojia eo amin’ny tontolon’ny serasera toy ny fanovana na fandisoana tanteraka ny vaovao toy ilay tranga niseho teny Ambohimalaza farany teo iny », hoy hatrany ny Dr Lollia.
Ankilany, nanampy tamin’ ny fanehoan-kevitr’ireo fianakavian’ny lasibatra izany ka namantarana ny zava-nisy sy ny zava-niseho nandritra ireny fotoana ireny.
Voalaza ao anatin’ny tatitra navoakan’ny « Data reportal  2024 » fa miisa 6,31 tapitrisa, izany hoe, 20,6% ny Ma­la­gasy no misitraka internet eto Madagasikara, ny volana janoary 2024.
Eto amintsika, tambajotra be mpampiasa indrindra ny facebook. Nivoitra ao anatin’ ny tatitra fa miisa 3,80 tapitrisa ny Malagasy mampiasa ity tambajotra ity tamin’ny taon-dasa. Niakatra ireo taha ireo raha oharina tamin’ny teo aloha noho ny fampiroboroboana ny fampiasana ny teknolojia niomerika eto amin­tsika, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny politikam-pampandrosoan’ny fanjakana.

Fitaovana

Tsy afa-misaraka amin’ny teknolojia niomerika isika noho izy fitaovan-tserasera anisan’ny mivoatra be indrindra sy be mpampiasa maneran-tany. Ilaina ny fampiasana ara-drariny izany hahatrarana ny tanjona apetraka. Eo amin’ ny sehatry ny fiarahamonina, « mila maharaka ny fivoaran’ ny teknolojia ny ray aman-dreny mba hahaizany mikira­kira ny niomerika sy hanakaikezany bebe kokoa ny zanany, hanamafisana ny serasera eo amin’ny roa tonta », hoy ity mpikaroka ity. Tsy vahaolana velively, hoy izy, ny famerana ny fampiasana ny internet ho an’ny ankizy na ny tanora noho izy ireo hitady izany any an-kafa. Misongadina ao anatin’ny voka-pikarohana na­taony fa paikady mahomby ny serasera eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka. Mila ma­haraka sy mahafantatra ny fandrosoan’ny teknolojia niomerika ny lehibe hanamorany ny fifandraisana amin’ny ta­nora fa indrindra hamantarany mivantana ireo teboka mety mahasarika azy ireny ary koa handrindrany ny fampiasana ny internet.

Henintsoa

Partager sur: