Ho fanamarihana ny asaramanitra, ny faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantenan’i Madagasikara, hotolorana vola mitentina 50 000 Ar ny zokiolona mpisitraka fisotroan-dronono ao amin’ny Cnaps manerana ny Nosy. Nisy solontena nandray ny vola mivantana teny Alarobia, omaly, izay natolotry ny minisitry ny Asa sy ny fampananana asa ary ny asam-panjakana, Razakaboana Hanitra.
Ankoatra izay, nambaran’ity minisitra ity fa efa vita ny herinandro teo ny fanekena ny fomba hitondrana ny rafitra hanomezana vola fisotroan-dronono ho an’ireo olona miasa tena rehetra mandrafitra ny toekarena malagasy. Tao anatin’ny herintaona sy tapany no nikarakaran’ny teknisianina eo anivon’ny Cnaps ny asa ahafahana manatanteraka izany. Voakasika avokoa rehefa karazan’asa misy. Ilaina ny miroso amin’izany fiahiana izany dieny izao mba tsy ho vesatry ny ankohonana sy ny fiarahamonina rehefa any aoriana ka tsy mahavita miasa intsony ilay olona. 90% ny olona manana fidiram-bola eto amintsika dia mahaleo tena avokoa, araka ny fanadihadiana.
Vonjy




