Natao teny Anosy, omaly, ny fiombonana amin’ny ankizy ao anatin’ny Iray volana natokana ho azy ireo, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’ antoka. Teo ny Orange Solidarité, ny Unicef, ny CUA ary ny minisiteran’ny Mponina sy firaisankina, notarihin’ny minisitra Razafinjato Aurélie nifarimbona nanome sehatra ho an’ny ankizy.
Nohamafisina tamin’ireo ankizy ny fahafantarany ny zony. Toraka izany ny fanatitranterana amin’ny ray aman-dreny fa izy ireo no tomponandraikitra voalohany amin’ny zanany. Izy ireo no tompon’antoka voalohany amin’ny fanabeazana ny ankizy ary omena hafatra ahafahany mahafantatra fa manana zo hivelona sy ho arovana ireo ankizy. Ao anatin’ny fampitana ny hafatra ny minisitera. Manana zo hilalao sy hikarokaroka mampiasa saina amin’ ny ordinatera ireo ankizy, araka ny natao omaly. Hiampita any amin’ny faritra 23 ny hetsika iarahana amin’ny Orange Solidarité.
500 ireo ankizy nisitraka ny hetsika teto Antananarivo, omaly. Hitotaly 2 000 mahery izany manerana an’i Madagasikara. Mitohy ny fifanampiana amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Ny CUA izay mandray ny ankizy mirenireny ary miahy azy ireo.
“Ho an’ireo kamboty dia misy ireo ivontoerana samihafa mandray azy ireny. Manana izany akany izany koa ny fanjakana ary zava-dehibe ny hahafahana manome hoavy mamiratra ireo ankizy izay samy zanaka avokoa”, hoy ny minisitra.
Tatiana A




