Senatera Tsiebo Mahaleo: “Fidin’ny ben’ny Tanàna sy mpanolotsaina ny loholona”

Hifarana amin’ny desambra ho avy izao ny fe-potoam-piasan’ireo loholona. Mba tsy hisian’ny fahabangana andrimpanjakana, tsy maintsy atrehina ny fifidianana loholona vaovao fidin’ireo mpifidy vaventy. Naneho ny heviny ny loholona Tsiebo Mahaleo.

Anisan’ny mpifidy vaventy ny ho filoham-paritra sy mpanolotsaim-paritra ary ny filoham-paritany sy mpanolotsaim-paritany. Hiandry ny fifidianana azy ireo izay tsy fantatra raha hisy na tsia ve ny fifidianana loholona? “Tsy afa-kiandry izany ny raharaham-pirenena”, hoy ny fanazavan’ny loholona Tsiebo Mahaleo Richard Victor, teny Anosy, omaly, manoloana an’izay fahataperan’ny fe-potoam-piasan’ny loholona sy ny fiatrehana fifidianana lo­holona vaovao izay.
“Aleo mitady vahaolana vonjimaika”, hoy izy. Izay no raketin’ny tolo-dalàna And. 127. Izy rahateo no nanolotra azy. Raha mbola tsy voafidy ireo mpifidy vaventy rehetra voalazan’ny And. 80 dia ireo olom-boafidy ara-dalàna eny anivon’ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana no mahazo manatanteraka ny fifidianana.

Tsy voadika ny lalàna
Ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna
amin’izao izany. Amin’izay, tsy voadika ny lalàna sady miroso amin’ny fifidianana no tsy misy ny fahabangana andrimpanjakana. Tamin’ny fifidianana loholona tamin’ny taona 2020, efa nisy koa ny fepetra tetezamita, araka ny fanazavany. Ny ben’ny Tanàna sy ny mpanolotsain’ny Tanàna iha­ny no nanao ny fifidianana. Tsy mbola voafidy ny olom-boafidy eny anivon’ny faritra sy ny faritany, izay anisan’ny mpifidy vaventy amin’ny fifidianana loholona.

R. Nd.

Partager sur: