Ady amin’ny herisetra amin’ny ankizy: manana andraikitra ny ray aman-dreny sy ny fanjakana

Iharan’ny herisetra ny akamaroan’ny ankizy malagasy eto amin’ny firenena. Manana anjara andraikitra goavana amin’ny ady ny ray aman-dreny sy ny fanjakana.

Be loatra ny karazana herisetra mahazo ny ankizy tao anatin’ny volana mey sy jona, raha ny zava-misy eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny trangana fanolanana, famonoana ho faty ny ankizy, eny fa na ny fanariana zaza menavava aza sy ny maro hafa. “Manoloana izany, mila mandray andraikitra ny tsirairay, indrindra ny ray aman-dreny, izay antony nanaovanay ny hetsika fanairana”, hoy Raharinarivonirina Maria, filohan’ny fikambanana PFSCE. Mifandray amin’ny lohahevitra navoakan’ny minisiteran’ny Mponina sy ny firaisankina nandritra ny fankalazana ny iray volan’ny ankizy izany. «Ray aman-dreny mandray andraikitra: zaza voaaro ny zony», io ny lohahevitra naroson’ny minisitera. Amin’ny ankapobeny, fianakaviana ihany no tena ambadiky ny fanaovana herisetra amin’ny ankizy. Ray aman-dreny ihany koa no maniraka ny ankizy handeha hitady asa ivelan’ny tokantrano. Fomba mamoehatra sy tsy fampiseho masoandro no ampiharina amin’ireny ankizy ireny. Toy ny mahazo azy ireo eny amin’ny sehatry ny asa, raha ny fanazavana voaray hatrany. Misy ihany koa ny ray aman-dreny mahavita mampaniraka ny zanany handeha hivaro-tena rehefa lehibe vatana. “Eo koa ny maniraka ny zaza handeha hamelona ny tenany sy ny ray aman-dreny mihitsy aza. Fomba iray hahafahan’ny ankizy mandeha mivaro-tena izany”, hoy hatrany izy. Nola­zainy fa anjaran’ny ray aman-dreny no mamelona ny ankizy fa tsy izy ireo no hitady vola hamelomana ny ray aman-dreny. Manana anjara andraikitra ny fanjakana manoloana izany. Amin’ny fanerena ny ray aman-dreny hampiditra an-tsekoly ny zanany. Izay tena zon’izy ireo.

Very ny soatoavina

Maro ny antony mahatonga ny ray aman-dreny manao ireny karazana herisetra samihafa ireny, raha ny fanazavana voaray. Voalohany, ny fa­hasimban’ny soatoavina. Eo koa ny fahaverezan’ny kolontsaina maha malagasy. Tsy fomban’ny Malagasy ny fampirisihana ny ankizy hitady vola sy hamelona ny ray aman-dreny niteraka. “Andrianina sy mpanjaka kely ny zanaka teo amin’ny Malagasy taloha”, hoy hatrany izy nanazava. Ankoatra izay, misy amin’ireo ray aman-dreny niteraka ireo ihany koa ny mahavita manao sorona ny zanany naterany, mba hahafahany mitady harena ho an’ny fianakaviana. Etsy ankilany, kolontsaina sy fomba ratsy avy any ivelan’ny firenena ihany koa ny fakana voamason’olona. Izay lasa tonga sy fomba amam-panaon’ny olon-dratsy eto amin’ny Nosy.
Endriky ny fotoana maoderina amin’izao fotoana izao ny teknolojia vaovao. “Miton­dra zava-dratsy eo amin’ny tanora sy ny zaza malagasy izany. Na eo amin’ny fomba fiteny na fitondran-tena na fihetsika re­hetra”, hoy hatrany Rahari­na­rivonirina Maria. Mila haverina hahafantatra ny andraikiny ny ray aman-dreny. Mila manaja ny zon’ny ankizy ihany koa izy ireo. Mila averina ny fanabeazana ara-piarahamonina any amin’ny sekoly ambaratonga fototra. Mila miverina amin’ny soatoavina mihitsy ny ray aman-dreny mba hahafahana miady amin’ny herisetra mianjady amin’ny ankizy.

Nankalaza ny iray volan’ny ankizy ny vovonana PFSCE

Volana jona, natokan’ny fitondram-panjakana ho Iray volan’ny ankizy. Mbola ao anatiny tanteraka isika eto Ma­dagasikara amin’izao fotoana. Nisy ny hetsika karakarain’ny vovonana isan-tsokajiny nanamarihina izany. Na­hitana izany avokoa ny faritra rehetra manerana ny Nosy. Anisany nanao hetsika tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefi­loha, ny 18 jona lasa teo, ny sehatry ny fiarahamonimpirenena ho an’ny ankizy (PFSCE). Ankizy manodidina ny 600 isa ireo tonga nandray anjara tamin’io hetsika io. Nisy ny “carnaval”, filanjana sorabaventy, fanaovana to­nonkalo, hira, dihy sy ny maro hafa misarika amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Tsy fanairana fotsiny ihany no hita teny an-toerana tamin’io fa nahafahana nampifalifaly ireo ankizy ihany koa. «Asa tena ataon’ny vovonana ny haitaky amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka mahakasika ny zon’ny ankizy. Manatsara ny traikefan’ny mpikambana ihany koa”, hoy Raharinarivonirina Maria, filohan’ny fikambanana PFSCE. «Zaza voaaro, mandry fahalemana» io ny lohahevitra noraisin’izy ireo tamin’ity taona ity. Tan­jona ny mba hampandriana fahalemana ny ankizy. Misy fikambanana 66 mivondrona ao anatin’io fikambanana io manerana ny Nosy. Mahafehy ny rehetra mahakasika ny fiarovana ny zon’ny ankizy. Na eo amin’ny sehatry ny fianarana, ireo ankizy manana fahasembanana, ny tsy manana ray aman-dreny mpiahy, ny ankizy mirenireny an-dalam-be, mahakasika ny fahasalamana, ny tratran’ny fanararaotana ara-nofo ary ny herisetra miafara amin’ny fahafatesana, raha ny fanazavan’ny filohan’ny vovovana PFSCE hatrany.

 

Nanantontosa: Mino

Partager sur: