Depiote Tim, Randriamasinoro Ny Rina: “Miaina krizy ara-pahasalamana goavana isika”

Naneho ny heviny manoloana izao toe-draharaha eto amin’ny firenena izao ny de­piote Randriamasinoro Ny Rina. Nahitsy ny nambarany. “Miaina anaty krizy ara-pahasalamana goavana ny firenena amin’izao fotoana izao”, hoy izy. Nanteriny fa mitohy miparitaka amin’ireo faritra rehetra manerana ny Nosy izany.
Nomarihin’ity sekretera jeneralin’ny antoko Tim ity fa mitombo 38% ny taha mampanahy momba ny fivalanana, raha ny tatitra farany navoakan’ny Fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fahasalamana (OMS) ny 10 jona teo. Efa manakaiky ny fetran’ny areti-mifindra ny firenena noho ny firodanan’ny fotodrafitrasa fototra. Anisan’izany ny jiro sy rano fisotro madio. Miharatsy tanteraka ny fahatapahan-jiro sy rano amin’ireo distrika maro manerana ny Nosy sy amin’ireo kaominina ambanivohitra maro. Nohi­tsi­ny fa mahatratra hatramin’ny 10 ora isan’andro ny fahatapahan-jiro. Naha­tratra 74 ora ny fahatapahan-jiro tao anatin’ny telo herinandro raha ho an’ny hopitaly, CHU JRA Anta­nanarivo manokana, araka ny nambarany. “Tranga mampidi-doza ireo marary izany, indrindra ireo tena marefo”, hoy ihany izy. Mano­loana izany, miantso fandraisan’andraikitry ny fitondram-panjakana hamerenana avy hatrany ny famatsiana jiro azo antoka ho an’ny hopitaly, tokantrano ary ireo fotodrafitrasa iankinan’ny fahavelomana ny antoko Tim. Tokony hiantohana ihany koa ny fahazoan’ny rehetra rano fisotro madio manerana ny Nosy, araka ny nambarany hatrany. “Aoka hosaziana ireo tomponandraikitra amin’izao krizy izao”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: